Tuesday, February 1, 2011

Raha toa moa ka … mandady mihemotra

Taloha, fony tsy mbola lasa lavitra ny fandrosoana, dia paositra no nandefasana hafatra, tamin’ny alàlan’ny taratasy. Io ilay natao hoe mail. Fa rehefa nandroso kosa ny teknolojia, dia haingana kokoa, mora kokoa, ny mandefa izany amin’ny alalan’ny fomba elektronika, dia nanjary teraka ny e-mail. Fa tsy ny mail ihany no azo tovanana e- fa sehatra maro hafa koa, toy ny fianarana ohatra, mianatra amin’ny alàlan’ny internet dia nisy izany e-learning; fikôtina sipa amin’ny internet izany e-dating, etsetra, etsetra, izay zavatra atao amin’ny alàlan’ny internet dia tovonana e- dia lasa teny iray lamaody be.

Taloha, fony tsy mbola lasa lavitra ny fandrosoana, dia vola no nentina niantsena nividy entana. Ankehitriny indray, na ny carte bancaire aza toa efa hilaozan’ny toetr’andro fa amin’ny alàlan’ny finday indray no ifanefana vola. Io indray no atao hoe m-paiement na m-vola hozy ny telma. Dia raha misy service hafa vaovao mampiasa ny finday indray dia hotovonana m- dia lasa teny lamaody.

Ankehitriny kosa, dia misy ny firenena izay tery ara-politika na ara-tetibola ka mampalahelo fa toa mi-torna. I Ejipta izao, mba hanakanana ny tolona ataon’ny vahoaka hono dia foanana ny internet. Koa rehefa foanana ny internet, dia hiova ny anaran’ny firenena ka ho lasa Jipta fotsiny sisa izany e?

Misy izany Madagasikara izany koa, sakantsakanana amin’izany PIU izany koa hono ny bizna ataon’ny mpandraharaha amin’ny fifandraisana koa ahiana hihemotra indray koa ny fampiasana finday. Eee, ho lasa Adagasikara koa no hiafaran’ny anaran’io firenena io.

Procambrus clarkii
I, Duloup (GFDL), CC-BY-SA-3.0 or CC-BY-SA-2.5-2.0-1.0, via Wikimedia Commons