Monday, January 28, 2013

Mikolokolo finday

Zavatra tsy dia mba haiko ny mikolokolo ny fananako izany. Tsy tia fahadiovana loatra aho sady tsy tia mampirina, ary tsy dia mora miraiki-pitia amin’ny ataon’ny vahiny hoe “biens matériels”. Ny ahy rehefa afaka manao izay ilako azy dia basy. Fiteniko matetika ny hoe ny fananana dia andevo natao hanompo fa tsy hotompoina, hanarabiako an’irony olona mandany tapakandro manadio ny fiarany kanefa vao handingana iray metatra ao ivelan’ny vavahady dia ho feno loto. Ny zavatra anefa rehefa mba voakarakara izay indraindray miverina jajika.

Mba nandehandeha tany amin’ny Supreme Center tao Behoririka aho tamin’ny zoma niaraka tamin’ny vadiko nitady zavatra ho azy, dia mba nanararaotra kely nanatsara an’ilay finday Tecno T3. Izaho mpanao am-paosy finday (mahakely filahiana hono! Tsy mbola nitaraina rafotsy hatreto), ka na dia vao volana roa aza no nananako an’ilay finday dia efa vizana sahady, misy kiaka eo amin’ny écran ka manjavozavo hatrany izay ao ambanin’ilay kiaka. Efa nieritreritra ny hanala an’ilay film de protection iny aho saingy tsy mbola sahy, satria fantatro fa andro vitsy ihany koa no ho nisaina dia ho kiaka aminizay ilay tena écran ao ambanin’iny.

Soa ihany tsy nesorina. Rehefa nijerijery teny dia nahita protège écran, film plastique kely. 10.000 Ar miaraka amin’ny mametaka azy. Esoriny ilay film kiaka sy vasoka teo aloha dia hetezany mifanaraka amin’ny haben’ny écran ilay film ary apetaka asolo ilay teo aloha. Misy fanadiovana maharitraritra ihany koa ataony eo anelanelan’ilay film vaovao sy ny tena écran fa nony vita dia tena afa-po tanteraka aho, niverina toy ilay vaovao nividianana azy ilay finday. Ary na dia mbola azo havaozina koa aza izany izay fanadiovana izay, dia mba nividy housse de protection amin’izay koa aho.

Dia mila mividy finday fozafoza asolo an’ilay foza double pince iray iny koa aho ato ho ato. Angamba mba efa amorti nedala iny. Ny olany izao dia ny vatoaratra tsy mitana intsony mihitsy, dia faharoa tsy mandeha intsony ny ôparlera firesahana fa tsy maintsy atao main libre rehefa miresaka amin’olona. Hanahirana ihany raha sendra miantso eo i kdaomba hanao je t’aime je t’aime kanefa ny vadiko ohatra eo akaikiko eo.