Saturday, May 25, 2013

Fifanarahana miafina

Tsy vitsy amintsika angamba no gaga sy mametra-panontaniana amin’ity fihetsik’i Menasofina hoe fa dia inona loatra no mampanahy an’lisany amin’ireo olona telo dia hilatsaka ao anaty piscine reo? Na dia fantatra aza hoe mpamany anaty dobo filomanosana izy ireo, ialahy menasofina tsy hiara-hikidaobaka aminy akory, nefa ireto Gasy hiara-hilomano aminy tsy misy mi-kiredy. Dia ialahy milingilingy mijery avy ery amin’ny perchoir ery indray no avo vava voalohany sy mandrahona?

Fa rehefa nanadihady aho, dia hay resaka hafa mihitsy no antony nampiaka-peo an-dry Remenasofina. Hay efa nisy fifanarahana miafina nifanaovana tamin’izy telo ireo, ka ny firotsahan’izy telo ao amin’io dobo filomanosana io dia tena fanitsakitsahana ankitsirano an’izay fifanarahana miafina izay. Fa na dia fifanaraha miafina aza ilay izy, hitako ihany ny dika mitovy ka dia haborako aminareo mpamaky etoana ny famintimpintinana azy.

Voalohany aloha, dia hay amin’ity fifaninanana lomano ity misy an’izany “Commentateur” izany, hitantara sy hampiaina mivantana an’io fifaninanana io ho ren-tany ho ren-danitra. Saingy tsy tena mahafehy tsara ny fiteny malagasy hono, ireo commentateurs ireo.
Faharoa, hay hono misy amin’ireo commentateurs ireo, noho ny antony tsy dia mazava, efa nanao “contrat” tamin’izany “être mystérieux” izany fa tsy hanonona anaran-dehilahy, koa raha te hanondro ny anaran’ny mpifaninana lehilahy izy, dia ny anaran’ny vadiny no hampiasaina fa tsy ny anaran’ilay bandy mpifaninana. Izany hoe raha i Sarkozy no mpifaninana, dia mody hantsoiny hoe Carla ilehiry izany fa tsy hatao hoe Nicolas na hoe Sarko. Fa raha ohatra hoe Merkel dia antsoiny hoe Angela ihany.
Kanefa noho ny tsi-fahaizany mahafehy tsara ny fiteny malagasy, na dia nampianarina imbetsaka aza, dia misy “lapsus” mampiteniteny foana hatrany amin’ny anaran’ireo mpifaninana telo ireo. Somary miraiki-dela hono izy, ka ny zanatsoratra roa mifanaraka lasa maniry L eny afovoany (tia lasa TILA), avy eo ny “LA” lasa mivadika “LE” ary indraindray aza ny “CE” mivadiaka “LE”.

Koa mba hisorohana ny fingosoana tsy nahy rehefa eo amin’izay fampiainana mivantana ny fifaninanana izay, dia nanamby vola be an’ireto mpifaninanana telo ireto izy ireo hoe aleo ianareo tsy mirotsaka ao amin’io dobo io hifaninana, ary samy nanao sonia an’io fifanarahana miafina io izy telo, saingy rehefa azony ny vola dia nirotsaka ihany izy ireo.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment