Wednesday, August 14, 2013

Tany

Ny tany anie rey olona, tsy tia ahindrahindra
Manetry tena foana, mandefitra, mahatanty
Izy no hitsahina, vao mianatra mamindra
Hosena tsy an-kijanona, hodiavi-mandra-maty.

An-kibon’izy itony no voatahiry miafina :
Ny vato tsy fahita, ny harena sarobidy,
Safira, volamena, sy vatosoa tarafina
Dia solitany koa, diamondra lafo vidy…

Tatahinao ny kibony, hakana ireo harena
Loaranao ny nofony hamoaka ireo tahiry
Raha toa aolana izy, dia tsy mba miaro tena
F’omeny anao ny rakiny, izay tsy fahita firy.

Toa tsy mba reraka izy, raha manome sakafo
Fa miakatra isan-taona ny voka-pambolena
Raha tsy mamokatra izy, moa tsy vidianao lafo
Izay tsy fitobahan’ny entana eny an-tsena?

Raha voky anefa ianao, nisotro sy nitsako
Nivadika ho maloto, ilay hanina nolerana
Anaty nofon-tany, no alatsakao ny fako
Masiso tsy ho tanty, izay sarotra andeferana.

Raha avy koa ny ora, handaozanao ny miaina
Ka ny fanahinao hankany an-danitra any
Ny nofonao ho lo, hihintsana, ho maina
Hanjary zezi-pako, ho raraka eto an-tany.

Ny tany anie rey olona, ka afa-mitaraina
Vavolombelona izy, mahita sady miaina
Izy no nitoroka ny fahotan’i Kaina
Namono nahafaty an’i Abela indray maraina

Nambarany amin’ny Ray, ilay ota mampangotika
Ny zava-betavetan’i Sodoma sy Gomora.
Ankehitriny ianao, matoa tsy mbola potika
Izao no torohevitro: mandehana re misaora

Isaory aloha ny tany, noho izay fandeferany
Ialao ny faharatsiana, tiavo ny tontolo
Ihavano ny natiora, karakarao ny toerany
Vakio ny Baiboly, araho ny Didy Folo.

DotMG, 14 aogositra 2013.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment