Monday, February 8, 2021

Bitcoin, fanazavana tsotra (ep 1)

Misy manontany aho hoe fa inona ilay Bitcoin, ahoana sy ahoana ny fandehany, dia hoezahiko hazavaina amin’ny fomba tsotra eto izy ka ity lahatsoratra ity no homeko izay manontany. Ho an’izay tena mbola zazavao amin’ny bitcoin izy ity.

Ny bitcoin na BTC dia “vola baoritra” elektronika.

Ahoana no fomba hananana bitcoin?

Alaivo sary an-tsaina hoe misy boatin-drakitra aman-tapitrisany eto an-tany, ary samy afaka mamorona boatin-drakitra maimaim-poana ho azy ny olona tsirairay. Ny boatin-drakitra tsirairay dia misy fanalahidiny, ary izay namorona an’ilay boatin-drakitra ihany no mahay sy mahalala ny fanalahidiny. Ny boatin-drakitra dia azo andefasana vola, fa ny famoahana vola avy ao amin’ilay boatin-drakitra kosa dia tsy mety raha tsy eo ilay fanalahidiny.

Ny fanalahidy dia tsy inona fa karazana “mot de passe” na tenimiafina. Ny tenimiafina anankiray dia miteraka boatin-drakitra anankiray, izany hoe ny famoronana boatin-drakitra dia fisafidianana tenimiafina anankiray dia izay, io tenimiafina io no fanalahidy ahafahana mamoha ilay boatin-drakitra ka mamoaka vola avy ao anatiny.

Raha te-hanana bitcoin ianao izany dia mamorona boatin-drakitra, ary mividy bitcoin avy eo, izany hoe mandoa vola tena izy any amin’ny sehatra mivarotra bitcoin, dia hitanao hoe iny ilay boatin-drakitrao fa nisy bitcoin niditra tao, ho solony.

Mampitombo vola hono ny bitcoin, amin’ny fomba ahoana?

Vola baoritra izy io hoy aho teny am-boalohany. Ny olona mpampiasa azy ihany no mametra ny sandany. Miovaova io sandany io noho izany, indraindray midina, indraindray miakatra. Tamin’ny 2015 dia iray tapitrisa ariary ny sandan’ny BTC iray. Desambra 2017 izy dia lasa 60 tapitrisa ariary. Raha nahavidy BTC iray ianao izany tamin’ny 2015, ary nivarotra izany tamin’ny desambra 2017 dia nitombo 60 heny ny volanao. Nivarina ho 12 tapitrisa ariary indray ny vidin’ny BTC tamin’ny desambra 2018. Izany hoe raha nividy BTC ianao tamin’io desambra 2017 io ary voatery nivarotra 1 taona taty aoriana dia very 5 sasaka ny volanao. Ary izao febroary 2021 izao indray dia 160 tapitrisa ariary ny BTC iray, dia hitanao amin’izay hoe raha ilay novidiana tamin’ny 2015 no nampiaretana 6 taona tao ary namidy indray taty amin’ny febroary 2021 dia nitombo 160 heny.

Ohatrinona no ilaina raha te hividy bitcoin?

Tsy toy ny vola tena izy ny bitcoin ka hoe iraimbilanja no farafahakeliny, fa afaka zaraina ny venty iray. Ny henjana ihany no mahavidy izany hoe bitcoin iray izany fa ny micro-BTC izao no fividy (izany hoe BTC iray zaraina iray tapitrisa). Raha mividy 100 micro-bitcoin ianao izany dia eo amin’ny 16.000 Ar eo izy izao. Misy sarany ny fifamindrana bitcoin, ary miovaova koa io sarany io. Io sarany io no mametra ny bitcoin afaka vidiana satria mety hoe 2000 ar ny saran’ny fividianana anankiray ohatra, dia matiantoka ianao raha hividy 160 Ar.

Raha izao febroary 2021 izao aho no te hividy, aiza no misy mivarotra?

Googliavo hoe “acheter bitcoin”? Dia aza mianjera amin’ny site mpisoloky sao very vola. Eto Madagasikara mety misy mivarotra an’io ihany, VirtualPay anontanio, na ireny LemurPay na TsaraPay ireny hoe? Ny ahy aloha mbola tsy hamidiko :p
Hotantaraiko anao ny fomba nahazoako ny ahy. Nisy cryptomonnaie saika hivelatra izay teto, Paypite no anarany. Karazana mpifaninana amin’ny bitcoin izy io, vola baoritra elektronika hafa. Tany am-boalohany dia afaka novidiana tamin’ny ariary izy, Mvola na Orange Money na Airtel Money, ary afaka namidy sy novidiana tamin’ny bitcoin ihany koa. Nividy betsaka tamin’io aho, ary ny paypite-ko dia namidiko natakalo bitcoin, dia ilay bitcoin tsy nokitihiko loatra. Izay no nananako bitcoin. Ankehitriny io paypite io dia 0.024 € ny vidin’ny anankiray ary tsy misy sahy mividy intsony satria amin’ny maha vola baoritra azy dia tsy hitan’ny olona izay ilàna azy. Fony noforonina izy dia 0,15 € ny sandany, ary efa tafakatra 1€ izany.

Fa maninona ny bitcoin no miakatra ny sandany? Inona no antoka fa tsy hiverina 0Ar ny sandan’ny bitcoin iray?

Ny bitcoin dia vola tsy afaka ny hitombo mihoa-pampana ny isany, izany hoe ny isan’ny BTC hivoaka dia tsy hihoatra ny 21 tapitrisa. Tsy toy ny ariary hoe rehefa sahirana ny fanjakana dia manonta vola betsaka hany ka lasa mihena ny sandany. Vao nanomboka ity vatsy tsinjo noho ny covid ity dia efa nieritreritra aho fa tsy maintsy hiakatra ny sandan’ny BTC. Ary tsy diso ny tombantombana nataoko. Izao izy ATH (all time high) izao indray, dia tsy haiko raha mbola hiakatra, na hidina, na tsy hiova. Raha manana vola afaka apetraka dimy taona na mihoatra dia azo atao ny mividy bitcoin izao, fa ao anatin’izay fe-potoana izay inoana fa mbola hiakatra ny sandan’io.

https://mastodon.mg/@dot/101743161928790781

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment