Wednesday, February 10, 2021

Love, Death, Robots. Ep 9: Captcha

* Salut leisy baina! Inona no malaza?
- Elaela leisy izany… Tsy mankaiza fa mitaiza leisy e. Aiza ialahy io, angaha tsy hoe taraiky any Chine moa?
* Efa eto an-tanàna efa ela leisy. Aty Majunga leisy izaho fa misy blèm. Voaendaka vao teo leisy, lasa ny finday, ny vola rehetra, ny carte, rehetra rehetra e, aty amin’ny Cyber izaho io izao. Tay be leisy a!
- Bokona be ohatr’ialahy ve leisy dia ho voaendaka fa ataovy resaka matotra
* Tena matotra leisy izany a! Sao mba afaka manavotra ahy ialahy, tena izay misy leisy fa na saran-dàlana hodiana aza tsy misy mihitsy. 03400120 leisy dia Bema no misoratra ao fa an’ny tompon’ity cyber ity io, fa mbola izay halefan’ialahy eo koa aza no handoavana ny sarany ato.
- Asio video kely leisy hoe aloha hijerena ny fiovan’ialahy izay elaela izay
* Ka hitan’ialahy, efa cyber 3 no nohatoniko fa tsy nisy nety nandray hoe tena tsisy vola aho. Dia ity iantsoako ity cyber tsy misy camera tsy misy micro ato.
- Tadidin’ialahy moa leisy ilay tany Ampefy tamin’ny 2016. Ilay kôzin’ialahy momba an’ilay 205?
* Tena tsy tadidiko an!
- Ilay tenin’ialahy momba ny vidiny sy ny lokony leisy a! Aiza koa dia tsy ho tadidin’ialahy iny.
* Ilay hoe ahoana moa? Ohatry ny “traumatisé” koa leisy aho ilay voaendaka teo dia tsy mihodina mihitsy ny lohako.
- Handefasako 400.000 Ar leisy ialahy ry bandy akama rehefa tadidin’ialahy izay kôzy izay an! Fa raha tsy tadidin’ialahy izay dia tsy ilay akama ialahy fa mpisoloky.


Jackie Lee s’est déconnecté.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment