Wednesday, October 1, 2008

Raha toa moa ka … tazony ny maha-virijiny anao

Avy namaky ilay resaka VETO momba ny maha-virijiny aho dia mampahatsiahy hoe misy kosa, ankoatr’ilay Aoka aloha, fanentanana hoe :

Sahia manao TSIA, ary tazòny ny maha-virijiny anao.

Io kosa dia fandavana ankitsirano e! Hoy ilay sipa tamin’ilay dokam-barotra (dokam-barotra angaha moa no filaza azy ireny sa fanentanana sa inona, raha dokam-barotra dia varotra inona no dokafana?), rehefa avy nobitsibitsihin’ilay bandy hoe andao hanao : “Tsy mbola izao kosa no fotoana fanaovana an’izany e!”. Tazòny ny maha-virijiny anao alohan’ny mariazy.

Nivoaka ny raki-kira faha-dimin’ny tarika Ambondrona, ary ny sary ahafantarana an’izany dia i Ra-kix mampiseho rantsana dimy. Dia mampahatsiahy an’ilay fanentanana amin’ny Aoka aloha ihany koa iny, satria ilay Aoka aloha dia ny rantsana dimy no aharihary. Fa inty hohazavain’ny sary eto ambany ity kosa ny dikan’ilay hoe “Tazòny ny maha-virijiny anao”, fa saingy tapaka foana moa ny tapany ambany amin’ireny doka/fanentanana ireny.

Fanazavàna an-tsary ny dikan'ny hoe tazòny ny maha-virijiny anao

  1. ikalamako

    Wednesday, October 1, 2008 - 17:51:44

    ka manentana izany hoe ny sipa mitazona ny maha-virjiny fa ny bandy koa mba ampirimo tsara le rantsana faha-iraika ambin’ny folo kle !

  2. Rajiosy

    Wednesday, October 1, 2008 - 23:48:10

    tano ny hazo fa sarotra ny mila ! sa “azo” moa ?

  3. pissoa

    Thursday, October 2, 2008 - 22:28:46

    tsy degany be ve ny mitazona ny maha-virjiny eny ampandehanana kle ? jereo @ le sary fotsiny hi hi hi

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment