Monday, November 24, 2008

Raha toa moa ka … fika milay sa fika masiso?

  • Comment enferme-t-on un girafe dans un frigo en 4 mouvements?
  • Qu’est-ce qui est rouge et qui passe à travers les murs?
  • Qu’est-ce qui est rouge et qui ne passe pas à travers les murs?
  • Qu’est-ce qui fait 999 fois TIC et une fois TOC?
  • Pourquoi les oiseaux volent-ils vers le sud?

Fika milay.

Ny gaufrette TURBO dia gaufrette malagasy iray, izany hoe orinasa malagasy no mamokatra azy. Ariary zato ny vidiny ary ny tsirony aloha dia tian’i Smiley tsara satria dia io foana no vidiana ho azy, ary rehefa anontaniana aza izy hoe inona no goûter tian-dria dia matetika no mamaly hoe Turbo. Asa na misy ifandraisany amin’i Francis Turbo mpanao hatsikana na tsia, mety tsy misy ifandraisany ka, fa dia misy ankamantatra mananihany amin’ny fiteny frantsay amin’ny fonon’io gaufrette io. Ireo napetrako eo aloha ireo ny sombintsombiny amin’izany ankamantatra izany, ary ny valin’ny ankamantatra dia ao amin’ilay fonona gaufrette ihany rehefa sokafana ilay mihorona kely iny. Fika milay ilay misarika kill amin’ny zavatra toy ireny, ary satria moa vokatra vita gasy ilay izy sady humouristique ilay ankamantatra dia anaovako dokambarotra maimaimpoana eto amin’ny blaogiko mihitsy, koa raha te hahafantatra ny valin’ireo ankamantatra eo ambony ireo ianao dia … mba mividiana (na mampividiana, ho an’izay mipetraka any andafy).

Fika masiso.

Ny an’ny orinasa Zain kosa indray dia izao no nataony. Namoaka tamin’ny dokambarotra izy fa hoe manomboka ny 15 novambra hatramin’ny 14 desambra, mampidira fahana 5.000 Ariary, antsoy ny 636, dia mahazo miantso tsy an-kiato ny laharana Zain maimaim-poana, amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Dia roboka tokoa ary Ramalagasy mampiditra 5.000 Ar dia miantso ny 636, dia manantena hoe tafiditra amin’ity tolotra Zain illimité, ka dia ho afaka miantso laharana Zain amin’ny sandany 0 ariary. Eny tokoa, saingy samy hafa ny famakin’ny mpanjifa sy ny mpanolotra ilay dokambarotra. Ny an’i Zain dia hoe ny andro ampidirana ilay fahana 5.000 Ariary ihany no manankery ny tolotra, izany hoe raha amin’ny 8 ora maraina ianao no miantso ny 636, dia kaofiny ao aloha ny 5.000 Ariary, dia afaka miantso laharana Zain maimaim-poana ianao iny andro iny hatramin’ny 6 ora hariva, fa rahampitso dia andro hafa indray, tsy maimaimpoana intsony. Hay ireto Gasy nanandrana an’ilay fika masiso nieritreritra hoe hatramin’ny desambra mbola ho maimaim-poana foana ny antso.

Fika milay sa fika masiso?

Namaky ny ady amin’ny orinasa MAGRO sy ny tompony ny mpitantana ny orinasa Savonnerie Tropicale fa hoe tsy manampy azy hono ito farany fa vao mainka mandentika aza. Efa notaterin’i Jentilisa ihany aloha ny momba ilay antso tao amina onjam-peo iray izay nanehoany ny fika hanakianana ny mpitondra, fa tsy nahomby angamba ilay fika na fanokafam-bavony amin’ny ady hovakiana mihitsy ilay fika iray iny. Tamin’ny herinandro ambony teo tokoa dia namory mpanao gazety ny Savonnerie Tropicale nilazany ny tsy rariny mihatra aminy, ny dingana efa vitany ho an’ny firenena sy ny orinasa malagasy, ary nomarihiny fa izy dia anisan’ny nanampy ny vondrona Tiko tamin’ny fotoan’androny. Hatramin’izao aloha mbola tsy nisy nilaza ho be koretaka ireto Savonnerie Tropicale ireto, ary izaho tsy dia mahay manakilasy eto na fika milay na fika masiso ity mamely mpitondra ity. Andrasana dia ho hita izay tohiny …

Raha sanatria ka fika masiso ilay izy dia … ny savony betsaka hanadiovana. Mba fantatrareo moa fa ny voambolana hoe fika dia entina hilazana ny fivaviana ihany koa indraindray?