Monday, February 2, 2009

Raha toa moa ka … Même causes, mêmes effets

Mêmes causes, mêmes circonstances, mêmes effets?

Mandinika ny tantara isika, tsiahivina ny tranga efa niseho, ka raha tsapa ny fiverimberenan’ny toe-javatra iray sy ny vokany dia tsoahina ho traikefa izany firindran-javatra izany. “Ny ela maha-iray ny roa”, hoy ny Ntaolo rehefa tsapany fa raha misy lehilahy sy vehivavy asaina miara-miaina maharitra dia lasa miray ho azy ao izy ireo. Saingy rehefa miverina im-piry ny zavatra iray vao ekena ny maha-raikipohy azy?

Raha ohatra ve izao nisy loharano iray, dia nisy olona iray nisotro teo dia maty afaka 10 segondra, dia nisy olon-kafa nisotro teo ihany koa ary maty ihany koa afaka 10 segondra, dia izay tranga roa izay ve dia ahafahana manatsoaka fa izay misotro rano eo amin’io loharano io dia ho faty afaka folo segondra? Ho an’izay mino dia tsy hisotro eo izy, izay tsy mino dia aoka izy hisotro, hahitana raha hiseho fanintelony ilay tranga.

Izay ny resa-be fa ireto no Causes à Effets voatsikaritro :

1) Ny fahitalavitra aty Madagasikara dia samy mametraka ny sary famantarana azy amin’ny sisin’ny écran. Sisiny telo no azo ampiasaina amin’izany dia ny ambony havanana, ambany havia na ny ambany havanana, fa izay fahitalavitra mametraka ny sary famantarana azy eo amin’ny sisiny ambony havia dia ho faty afaka andro vitsivitsy. Asaivo misy manandrana ange e!

2) Ny sotasota ifanaovan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny Filoham-pirenena dia tsy maintsy miafara amin’ny Fitokonana faobe sy firodanan’ny fanjakana. Miainga amin’ny fingampingana madinidinika, ny fifanaovana sofi-marenina ary ny fitsoahan’ny anankiray any ivelany.

3) Ny tolom-bahoaka ho fandrodanam-panjakana dia tsy mety mahomby raha tsy entina eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Sarotiny mafy ny mpomba ny Filoham-pirenena ny amin’io kianja io ka raha tsy tratran’ny casseurs dia nentina tany Fiadanana toa an’i Lecacheur. Rehefa io no tsy voatohana dia mafy ny ataky izay.

4) Rehefa raikitra ny hatezeram-bahoaka, dia izay mpomba ny fitondrana sola loha misy volom-bava no maivoka voalohany iharan’ny fandrobana. Efa nahalatsa-dranomaso an’i Guy Willy Razanamasy tamin’ny taona 2002 hoe ny merina toa ahy no mandroba ahy, ary dia mbola nampivarahontsana an’i Moxe Ramandimbilahatra hoe fananana nohariana nandritra ny 50 taona no fongana nandritra ny minitra vitsy.

Raha manana havana zalahy ka sola loha misy volombava, ary mieritreritra ny hanao politika na efa ao, asaivo miova taranja dieny tsy mbola diso aoriana loatra. Dia ilazao iny Alain Ramaroson iny hoe rehefa mipi-bolo ingahy na manomboka mihasola dia ajanony koa io pôlitika io fa sao ahitan-doza.