Thursday, May 7, 2009

Raha toa moa ka … manohana ny HAT

Izahay filoha mpanorina sy mpikambana rehetra ato amin’ny FTFMA (Fikambanan’ny Tompona Fiara Mitanin’Andro) manerana ny nosy dia manao izao fanambarana izao :

1) Manohana ny fitondrana tateza-mita izay tarihin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina, ary manohana ny asa fampandrosoana iantsorohan’ny Governemanta Tateza-mita tarihin’ny Praiministra Monja Roindefo Zafitsimivalo.

2) Manambara fa ny fiaranay dia nizaka ny mafy noho ny didy jadona tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, rehefa nivoaka ny didy mandrara ny fampiasana ny film matroka izany nanampy ireo fiara mitanina andro ireo tokoa hiady amin’ny hafanana.

3) Io didy mandrara ny fampiasana ny film matroka amin’ny fitaratry ny fiarakodia io dia tsy mitondra fampandrosoana sy filaminana velively, fa hevitra taingina nataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana hamporisihana ny zandary sy polisy amin’ny fitangoana sy fanorana anay tsy manan-tsiny fotsiny. Tsipihinay ihany koa fa tsy mifanaraka velively amin’ny toe-tany mafana aty Afrika sy Madagasikara io didy io.

4) Taorian’ny famoahana ireo Gadra Politika sy ny fanokafana indray ny fiangonana FPVM, dia mitaky izahay ato amin’ny FTFMA ny mba hanafoanana io didy mandrara ny fampiasana ny film matroka io.

Amin’ny anaran’ny Birao sy ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy.

Antananarivo, 07 mey 2009.

  1. ikalamako

    Tuesday, May 12, 2009 - 21:10:41

    ary tokony aty amin’ny tany matetika tratran’ny mangatsiaka be no horarana io vitre parfumé io zany koh !!!!

  2. finoanaranoray

    Monday, June 29, 2009 - 17:53:15

    tena misy ve ilay fikambanana?

  3. DotMG

    Monday, June 29, 2009 - 19:44:08

    Tsy misy ka, fa azo asiana tnh

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment