Friday, February 4, 2011

Raha toa moa ka … saika tapaka

Vaovao tselatra : saika vita hasoavana ny ankolafy Zafy Albert. Omaly raha nanao valandresaka na tsy haiko ny filaza azy tetsy amin’ny hotel Carlton ny ankolafy Zafy, dia nisy fifamaliana teo amin’ny mpanofa trano (Efa nahaloa vola izahay, hoy ilay olona tao amin’ny ankolafy Zafy, avo vava; koa mahazo miditra izay te hiditra. Midira r’ireto a!) sy ny mpiambina ny trano. Fo rano mafana ka dia voatositosika tamin’izany sakoroka kely izany ingahy Tabera Randriamanantsoa, ary saika tapaka tao raha tsy nahay nianjera.

Nandeha soamantsara ihany ny resaka ary afaka nandray fitenenana i Zafy. Raha io sori-dàlan’i Simao io no izy, hoy ny Profesora, dia tsy handray anjara izahay. Tehaka mirefodrefotra no setrin’izany. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nitehaka nirefodrefotra ihany koa satria dia tena mahafaly tokoa izany hoe tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny firenena ny ankolafy Zafy Albert. Izany tokoa angamba no tao an-tsain’ireo mpanatrika, fa iza ao amin’io ankolafy io amin’izao moa no mba mety hahafaly raha hoe ho isan’ny mpitondra? Zah tsy mahita.

Ny tolo-kevitra narosonay ho amin’ny fifampiresahana izay nomena ny SADC, hoy ihany izy, dia tsy nisy noraisina na dia tokana aza. Hehy ranolava sy hafaliana ihany koa no setrin’izay. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nihomehy ihany koa. Efa tokony ho tonga saina ny ankolafy Zafy raha izany hoe dia tena efa tsy compétent mihitsy na miteniteny foana ka izay rehetra nolazainy ve izany dia tsy nisy hitan’i Simao hoe sensé na dia iray aza?

Circoncision
This picture is in the public domain