Thursday, January 5, 2012

Raha toa moa ka … Onitiana filoha

Taratasy misokatra ho an’i Madama Onitiana Realy.

Raha nijery ireo famakafakana nataonao tamin’ny fotoanan’ny Caucus nisafidianana ny ho kandidà tany Amerika nifanandrinan’i Hillary Clinton sy Barack Obama ny tenako, dia nahatsapa hoe misy fitiavana milalao politika ao anatinao ao. Anisan’ny manana fitiavan-tanindrazana ianao, ary mahafinaritra anao izany hoe vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny firenena izany. Raha ny traikefa sy ny haitao indray ary ny diplaoma mitambatra dia inoako fa resinao izy efa-dahy izay mihevi-tena ho nahavita azy na mbola mahavita azy. Taorian’ny fikitikitihan’ny fitondrana HAT anao manokana vokatr’ilay fanadihadiana manongo sy mitsipindy iny dia nitombo be ny côte de popularité anananao.

Koa manan-kevitra aho hoe maninona moa raha manangana ekipa ianao dia alatsaka amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika, tsy efa misy herijika ve amin’izao? Ny tsara, vao aty amin’ny fampielezan-kevitra dia asehonao ireo ho mpiara-miasa ao amin’ny governemanta rehefa lany, izany hoe ny ossature-n’ny governemanta tonga dia aseho hoe i anona no hataonao PM, i anona VPM misahana an’izao, etsetra … Raha vao mahatafatsangana ekipa maharesy lahatra ianao dia ao am-paosy io na hanao hala-bato aza i anona sy anona. Ny Gasy ne zao sady efa leo bandy no leo politika e! Tadiavintsika ny folo miliara ariary hanaovana propagandy makotroka raha vonona ianao.

Dia farany, mandra-pandinikao an’ity soso-kevitra ity, misy bandy akama milay izay ho’aho any mety eo amin’ny toeran’ny premier homme raha toa ianao hanao ohatr’i Sarko hoe vao vaovao ny maha-filoha dia vaovao koa ny Carla.

Voahariniaina

PS: Dia avoaka ihany koa le fanampin’anarana tsy misy mahalala hatramin’izay (Ignace ohatra ny an-dRatsiraka, ny anao atao hoe Voahariniaina).