Friday, May 4, 2012

Raha toa moa ka … baiboly tia vetaveta

Taloha elabe aho nanao site ahazoana mamaky baiboly kristianina, dia sendra olana ara-teknika ilay serveur dia very tany ny données, moa efa nisy ihany koa ny site hafa nahafahana namaky baiboly, ny baiboly.org, dia najanoko ny ahy. Taty aoriana, sendra olana ihany koa ny baiboly.org dia miala tsiny noho ny fahatapahana vetivety hono, efa ho fotoana elaela ihany izay. Soa fa nisy ihany koa ny vatsy.com sy ny toriteny.net nahafahana namaky baiboly amin’ny fiteny malagasy.
Androany anefa dia misedra olana koa ny toriteny.net, ny vatsy.com izany sisa aloha no haiko, nefa ny azy tsy feno ny baiboly rehetra. Dia nieritreritra aho hoe andeha haveriko ilay site nataoko ho famakiana baiboly iny, dia ndeha hovidiako ny nom de domaine baiboly.com. Dia nanao whois aho, e e e, indrisy fa efa lasan’ny squatteur e! Dia mba nidirako ilay baiboly.com hijerena hoe inona ary no ao. Dia ity eto ambany ity ny sary hitako.

dika an-tsarin'ny sehatra baiboly.com, maneho teny hoe malagasy tia vetaveta

Izao izany no zavatra fantatry ny internet hoe mifandray amin’ny atao hoe baiboly : serimônina, fihaonana eto Madagasikara ary malagasy tia vetaveta. Ka inona moa izany fa tsy efa tia baiboly avy ny 100%-n’ny Malagasy ary efa Paradisa an-tany ity nosintsika ity? Ary eto marina vao tadidiko fa tena vao saika herintaona katroka tokoa no namoahako ilay andinin-tSoratra Masina nalaina tao amin’ny baiboly miresaka fijangajangana amin’ny filàna ara-nofo iny: http://dotmg.net/what-if/2011/05/02/lahatsoratra-special/

=====
Jadis, j’avais fait un site où l’on pouvait lire la bible en langue malgache. Suite à des problèmes techniques du serveurs, mes données étaient perdus et j’ai laissé tomber, d’autant plus qu’un autre site nommé baiboly.org avait très bien pris la relève.
Baiboly est la traduction en malgache du mot “bible”.
Ce jour, j’ai voulu acheter le nom de domaine baiboly.com pour y remettre le site que j’avais développé, mais les cybersquatteurs ont déjà reservé ce nom. J’avais ouvert le site pour voir ce qu’il y avait, et ce qui s’affiche en haut est une capture d’écran d’une page de parking.
Donc, selon les algorithmes de ce site, le terme baiboly se refère à ces 3 choses :
- sermon
- rencontre à Madagascar
- malagasy tia vetaveta (traduction libre Malgaches amateurs de Pornographie).

Tiens, c’est justement presque un an jour pour jour que j’ai publié un verset assez “hot” trouvé dans la Bible. http://dotmg.net/what-if/2011/05/02/lahatsoratra-special/.

  1. pissoa

    Friday, May 4, 2012 - 20:08:55

    Resaho ihany i Simplex fa mety leiry ihany io lol

    (Aza vonoina aho Simp fa mananihany fotsiny a !)

  2. DotMG

    Friday, May 4, 2012 - 20:11:14

    Cas possible. Sady nedala efa te ho Andriamanitra io nefa specialiste en sexologie …

  3. simp

    Friday, May 4, 2012 - 21:25:56

    tsssssssssssssssssss
    aza manono nono nono mpoana ny anaran’A/tra an!!

  4. simp

    Friday, May 4, 2012 - 21:28:03

    fa zao kosa aloha ee
    un vetaveta peut en cacher un autre,,, non tsy double vetaveta an lol
    fa refa tsindriana le rohy hoe vetaveta dia… maty antoka tanteraka!!

    avereno ny volanay!!!!

  5. simp

    Friday, May 4, 2012 - 21:31:46

    novakiana in-2 mintsy ity le
    best post ever!!!!

  6. DotMG

    Monday, May 7, 2012 - 10:57:44

    Merci simp. Fa zao, aza clikena ny lien am site Made For Ads ohatr’ireny fa vao mainka manome vahana an-dry zalahy squatteurs. Izay no antony nandefasako copie écran teto fa tsy rohy.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment