Wednesday, March 6, 2013

Network

Simba ny antenne an’ny fahitalavitra ao an-tafon-tranonay. Gaigy be mantsy ny rivotra mifofofofo ka dia tsy naharitra ela ilay antenne fa lasa nanjavona. Tsy maninona izany fa efa hatry ny fotoana maromaro ihany koa izahay no tsy mijery fahitalavitra malagasy intsony.

Ka izay indrindra no toa lasa mahagaga, ny fandaharana avy any am-pita no arahina “somary mivantana” (somary satria tsy mivantana tanteraka fa ny fandaharana omaly no azo jerena anio). Ny fandaharana vita eto an-toerana kosa indray dia jerena amin’ny alàlan’ny YouTube.

Asa na izany no fandrosoana na fihemorana ?