Wednesday, March 20, 2013

May all

Nisy hono Pasitera iray izay, may endim-boanjo tany amin’izay naha-maimay azy tany, ie, maimay ohatry ny boka hanambady kanefa ny rantsana hasiana peratra aza tsy misy. Dia nirimorimo hono ity ranamana, kanjo nisy mpanakantsakana. Nisy ny vava mahamay teo amin’ny andaniny izay toa nanivaiva ny fahefana sy ho fahefan’ity Pasitera, ka vao nahare izay iretsy mpomba azy dia toy ny main’ny sakay, niaka-pofona ary nanao fihetsika tsy fanao eny amin’ilay toerana. Tsy nahafaly ny mpitazana anefa io fihetsika io, ka ny vokany dia may fiara ingahy Pasitera, tsy ilay fiara nitondra azy akory fa izay fiara nisy ny anaram-piangonany sendra nandalo. Teo vao may volon-tratra ny anao lahy ka nandeha nifona tamin’ny vahoaka. Tandremo pasitera sao sola maniry volom-bava ka izay vao tena ho “May all“, izany hoe “may retraretra” toy ny mpanao politika maro teto amin’ny tanàna.