Thursday, June 12, 2008

Raha toa moa ka … retour vers le futur, un vendredi 13

Resy indray.

Raha toy ireny baolina nihaonan’i Mozambika sy ny Barea omaly hariva ireny dia tena tsy hita marina izay hitantarana azy. Toa saika nety ihany ny natao fa ny sanjila mihitsy no namazivazy. Amin’izay ilay but matin’ny mpitsidika toa taim-baolina sy hadisoana kely avy amin’ny Barea ny betsaka fa tsy tena fahaizana. Ny zavatra tsapa ihany koa dia rehefa manenjika isa ny tena dia toa fohy dia fohy ny fotoana, sahala amin’ny hoe tsy ampy 90 minitra izany ny lalao.

Misasaka izay ny làlana, laharana fahaefatra sady farany no misy antsika, ary ahiana hijanona eo ihany koa fa tsy ho tafarina intsony. Taorian’ireny rodorodo be tamin’ny 30 minitra farany sy ireo karatra mavo sy mena azontsika ireny tokoa mantsy dia tena karazan’ny tsy manana éléments hiatrehana ny lalao miverina any Maputo afaka fito andro intsony isika. Tsy fanambaniana ny fahaizan’ireo mpisolo toerana sanatria fa tena ireo azo lazaina ho éléments clés rehetra no tsy afaka hanao noho ny karatra mena na ny karatra mavo fanindroany.

Re koa izao fa resin’i Côte d’Ivoire ihany koa i Botswana, ary dia azo lazaina fa malalaka amin’izay ny làlan’i Côte d’Ivoire hibata ny laharana voalohany ao amin’ity vondrona ity. Mbola samy afaka miandrandra ny ho laharana faharoa daholo ny ekipa 3 hafa, saingy hita hanan-tombo kokoa i Botswana.

Ny hany azo hanamboaran-tsaina dia mbola i Faneva Ima ihany aloha no mitàna ilay toeran’ny meilleur buteur, raha efa tsy laharana voalohany intsony kosa i Madagasikara amin’ny isan’ny baolina tafiditra fa dia nihemotra kely. Amin’ny 2012 indray manao misimisy e …

PS. Rehefa mametraka post @ ity blaogy ity dia misy daty eo, ary fanaoko ny mametraka daty any aoriana kely matetika rehefa tiako tsy tonga dia hivoaka ny lahatsoratra. Ity lahatsoratra soratako androany Alatsinainy ity kosa dia ataoko datin’ny Vendredi 13, izany hoe 3 andro mialoha ny androany, sao mba mivoaka alohan’ny lalao ihany izy ity ka misy hakana lesona ho an’ny mpilalao hoe tandremo ny karatra sy ny faute majinika ahitan’ny Mozambikana but. Nefa revin-gadra kay ny ahy fa vao nijery ny blaogiko aho teo fa tsy mbola niseho ity lahatsoratra ity.

Et si … retour vers le futur?

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment