Monday, December 15, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto

Hatramin’izay fotoana elaela mba niseraserana tamin’ny internet izay dia nahitako fa misy voambolana vitsivitsy tsy dia mba faseho fa manohintohina ny hafa. Halahatro toy ny TOP 5 indray ireo voambolana ireo androany, dia anjaranao ny mitadidy hoe tsy azo hampiasaina izy ireo. Ny laharana fahadimy dia ilay voambolana tsy tokony haseho, nefa azo ihafihafiana ihany, fa ny laharana voalohany kosa dia tena fadin-drazana mihitsy.

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny fa ny voambolana tena malagasy mahakasika ny fitaovam-pananahana sy ny firaisana ara-nofo dia tena tsy manohintohina na iza na iza ka azonao ampiasaina malalaka. Amporisihina aza ianao hampiely ireny voambolana tena malagasy ireny fa tsy mahamenatra izany.

5: Andevo: Mbola misy vitsivitsy tsy mahazaka io voambolana iray io. Misy olona vitsivitsy raha vao mandre an’io dia midika izay fa mpanavakava-bolonkoditra ilay olona nanonona na nanoratra an’io. Raha tsy te-ho voataky haba (taxé) amin’izany ianao dia aza manoratsoratra an’io.

4: Andriana: Avo folo heny amin’ny olona tsy mahatanty ilay voambolana teo amin’ny laharana fahadimy ny isan’ny olona tsy mahatanty ity voambolana iray ity. Ny vokatry ny fampiasana azy dia mitovy ihany: mpanavakava-bolonkoditra ianao matoa sahy miteny na manoratra an’io.

3: Toko sy andininy: Mba fantapantaro aloha ny olona iresahana vao mamoaka toko sy andininy ao amin’ny Baiboly sao mahita loza. Ny tena marina anefa, tsy ny toko sy andininy ihany no tsy zakan’ny olombelona sasany fa indraindray misy vao mandre hoe fivavahana, Jesoa na Kristy dia efa tena midona-tsetroka ny sofiny. Raha sendra ny olona sahala amin’izay ianao dia ataovy amin’ilay tononkiran’i SolomonaSamoela hoe: Tsy horesahiko politika na horesahiko fivavahana fa ho ampireveko THB mba ho soa ny fiarahana.

2: Merina / Côtier: Ny anaram-poko rehetra eto Madagasikara azonao lazaina na soratana daholo, na Betsileo na Betsimisaraka na Vezo na inona na inona, fa ny teny hoe Merina dia tena tsy azo lazaina mihitsy, raha tsy hoe hainao sy voatononao daholo angaha ireo foko 18 hafa. Raha manonona hoe Merina ianao nefa misy anaram-poko iray tsy fantatrao dia ianao izay no tena mpanavakava-piaviana hiringiriny indrindra!!! Ny fampiasàn’ny olona iray ny voambolana hoe Côtier dia midika fa amin’io olona io, ny foko Merina ihany no Merina fa ny foko hafa tsy misy Merina.

1: Didier Ratsiraka: Izay tratra manonona na manoratra an’io dia hakatona sy horaràna, amin’ny anaran’i …. Tsy maha-Ben’ny tanàna ny patron-nao io. Koa raha tsy tianao ny hamoaka erreur 404 ny blaoginao, fadio dia fadio. Efa misy toko sy andininy ao amin’ny lalàna mandrara ny fampiasàna an’io voambolana io ka tandremo tompoko, ary raha ilaina dia hahitana toko sy andininy handrara izany koa aza ao amin’ny Baiboly.

  1. tomavana

    Monday, December 15, 2008 - 11:38:03

    Ny teny ve no maloto … sa ny eritreritra e ?

  2. DotMG

    Monday, December 15, 2008 - 11:50:19

    @tomavana eritreretin’ny mpihaino hoe maloto ny eritreritry ny mpiteny (na mpanoratra na mpanaparitaka hevitra). Dia mandoto ny eritreritry ny mpihaino izany ka tsy tokony hatao.

  3. maintikely

    Monday, December 15, 2008 - 16:05:59

    Ande nda hanoratra an’io farany io ataoko mivandravandra be za refaveo :D

    Ny ahy arakaraky ny eritreritra hitenenana azy. Raha entina hanaratsiana olona sy hambaniana olona dia bof, lany andro eo fotsiny, satria ilay mpanambany no tena mirefarefa @tany.

    Zavatra vitsivitsy tsy azo tenenina @ol mbola tsy dia fantatrao loatra satria mety hanohintohina ary indrindra mampifanditra: fivavahana, politika, ary fihaviana … izay voalazan’i dotmg ireo moa ny fisehony ho an’ny gasy. Mety mbola misy hafa fa mbola kamo za hieritreritra :)

  4. DotMG

    Monday, December 15, 2008 - 17:36:30

    @maintikely ianao tsy afaka hiblaogy ange tsy olana fa izahay mpamaky tsy hahita hovakiana intsony no hampalahelo e! Efa hita fa mampavoso olona ve dia mbola iniana atao?

    Ny momba ny fiaviana, saranga sy fivavahana indray dia … tsy fanoratra amin’ny forum, blog, … internet amin’ny ankapobeny ve izany, satria ny mpamaky sy mpihaino rehetra amin’ireny dia olona tsy mbola fantatra tsara daholo.

    Fanamarihana: voalaza tamin’ny lohateny moa hoe “teny maloto”, fa ho an’izay miombona dôty dia mila miteny hoe “dôty” isaky ny avy miteny maloto raha tsy izany voalako be.

  5. tomavana

    Monday, December 15, 2008 - 17:59:34

    >fa ho an’izay miombona dôty dia mila miteny hoe “dôty” isaky ny avy miteny maloto raha tsy izany voalako be

    Sao dia mba lalàna taloha izany ? F’angaha ankehitriny tsy velezin’ny sasany na dia ireo tsy miombona “dôty” akory aza … Jereo itony ry TGV ;)

  6. Rajiosy

    Tuesday, December 16, 2008 - 03:05:14

    milay e.
    ity izany no ho fehezan-teny filamatra :
    “tsy andevo sady tsy andriana, tsy mitady toko tsy mila andininy, sady tsy merina no tsy côtier hono i Didier Ratsiraka” : vonjeo aho Jesôsy !

  7. DotMG

    Thursday, December 18, 2008 - 12:55:07

    Ankoatr’ireo teny dimy ireo dia niniana tsy naseho teto ny tena teny maloto indrindra tsy azo atao ren’ny havan-dry Ramose. Raha navoakako teto mantsy io teny maloto iray io dia efa tsy nisy intsony ny what-if ohatr’izay. Sahala amin’ilay voalaza ao amin’ny toko sy andininy hoe raha miteny hoe Didier Ratsiraka ianao dia mety hahazo famelan-keloka ihany fa izay miteny an’ity teny hoe ** *** ity kosa dia tsy mba hahazo famelan-keloka mihitsy.
    Inona ary ilay izy? http://jentilisa.blaogy.com/post/122/5748#comment-54042

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment