Wednesday, February 4, 2009

Raha toa moa ka … interview (noforomporonina 100%)

Tsy mpanao gazety matianina akory izahay, ary tsy mba ho afaka handray feo ny Filoham-pirenena izany fa ity eto ambany ity dia rediredy hoe raha toa moa ka mba afaka nametra-panontaniana ny Filoha hono ny What-if dia inona no mety ho valin-teny azony …

Andriamatoa Filoha, ahoana ny fahitànao ny toe-draharaha ankehitriny, fa toa misy Filoham-pirenena roa eto Madagasikara ary misy Ben’ny Tanàna roa ihany koa ao Antananarivo renivohitra?

Mivanitika aho, tena mivanitika aho! Aoka isika mba samy hisaina ny zavatra atao sy lazaina. Rehefa ny TGV ve no esorina amin’ny toerany dia hoe fanaovana tsinontsinona an’ireo maro an’isa nifidy azy tamin’ny fifidianana demokratika, fa rehefa izaho no esorina amin’ny toerako amin’ny fomba tsy manaraka ny lalàna dia hoe ara-drariny? Izany hoe rehefa ianao no manao an’ilay tateza-mita sy manongam-panjakana tsy amin’ny alàlan’ny fifidianana dia tsy manitsakitsaka ny safidin’ireo vahoaka an-tapitrisany maro nifidy ahy tamin’ny desambra 2006? Azo natao tsara ny tsy nametraka PDS ho an’Antananarivo, fa izy ihany no mipindampinda mioko tateza-mita eo, dia io hitany io ny tateza-mitany.
Ny momba ny hoe misy filoha roa eto dia samy afaka miteny ny tenany ho Filoham-pirenena ny tsirairay, na i Samoela io na ny adala rehetra any amin’ny 18, fa tokana ihany ny Filoha dia izay eken’ny vahoaka, ny mpiasam-panjakana ary ny mpianatra teny. Toy izany koa ny Ben’ny Tanàna, ny anankiray dia efa nisafidy ny ho Ben’ny Ladenina fa tsy Ben’ny Tanàna intsony ka dia vonona, vonona hanampy antsika ny Amerikana amin’ny ady amin’ny fampihorohoroana.
Averiko indray fa tsy misy tateza-mita izany eto, nofinofin’adala izany.
Vahoaka hendry ny vahoaka malagasy, masina ny Tanindrazana, momba antsika hatrany Andriamanitra.

Momba ilay PDS Andriamatoa Filoha, noravàna ihany koa ny mpanolo-tsainan’ny Tanàna izay nofidim-bahoaka ihany koa. Ara-dalàna ve izay?

Ny fanontaniana apetrako aminao dia hoe raha misy misora-tena ho mpitantana ny tateza-mita dia ara-dalàna ve izany, na atao aza hoe tena diso tokoa ny Filoham-pirenena. Araka ny lalàm-panorenana dia ny Filohan’ny Sénat no mandray ny toeran’ny Filohan’ny Repoblika raha miongana izy, fa tsy voalaza mihitsy ao hoe TGV, TGV.

  1. simp

    Wednesday, February 4, 2009 - 23:04:56

    looooooooooooooooolllll
    you made my day!!

  2. ikalamako

    Friday, February 6, 2009 - 01:41:21

    aiaiooo tsinaiko - tapaka klele
    na le pont na la pont, hozy le Roi de Tikoland indraika andro iry, tsy raharahako fa tatezana foana zany :-)
    Giravy be ry Ben’Ladenina rehefa hirifatra @ train-ny koh. Ny blèm fotsiny ny sasany efa Air Force One II no nandanany ka zay no nahavizana ny TGV fa tsy hoe kamo akory ny prezidan’ny senat dia ny TGV TGV no nirahina hiakatra ambony.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment