Friday, February 27, 2009

Raha toa moa ka … efatra faingo dimy sosona

Mandalo krizy ny firenena ankehitriny. Ao moa ny milaza hoe adin’olon-droa izy io ka tsy tokony hiitatra any amin’ny vahoaka, saingy ity aroso ity kosa ny fomba fahitako ny krizy ankehitriny.

Amiko dia krizy 4,5 (efatra faingo dimy) sosona no mihatra amin’ny firenena ankehitriny.

1) Krizy sosialy : Mihamahantra ny mponina, mihalafo ny vidim-piainana. Ho an’izay mahita fa misy ny fandrosoana eo amin’ny lafiny ara-tsosialy dia sambatra izy. Misy ny fotodrafitrasa vita ary betsaka saingy ny harapaky ny vahoaka mihitsy no tsy ampy. Efa nolazaiko ihany tamin’ny fiandohan’ny taona 2008 hoe na dia ny fisondrotry ny vidin’entan’ny TIKO aza dia avo efatra heny amin’ny fisondrotry ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Apetrako ho ny governemanta sy ny Filoham-pirenena no tsy nahmby nahatonga izay fitontonganan’ny fari-piainan’ny maro an’isa izay.

2) Krizy pôlitika : Mbola sambatra izay mahita fa nisy fahalalahan’ny mpanao pôlitika mpanohitra teto Madagasikara hatramin’ny taona 2003. Mijery fampahalalàm-baovao ao amin’ny haino aman-jerim-bahoaka fotsiny ianao dia hahita fa tsy misy mpanohitra eto Madagasikara, ary dia manga ny lanitra, maitso mvana ny tany fa tsara sy maha-te hidera avokoa izay vitan-dRavalomanana. Mbola mitombina ilay tenin’i Me Jacques Sylla tamin’ny mpanohitra hoe “Tsy crédibles ianareo”. Hatramin’izao tokoa dia tsy mbola mahita izay olona mety ho azo antoka hasolo an-dRavalomanana Ramalagasy. Krizy pôlitika izany. Samy tompon’andraikitra amin’ny niavian’io krizy io avokoa ny ny mpanohitra (izay tokony ho efa naka retraite hatry ny ela mba hanome toerana ny tanora), na Ravalomanana sy ny mpomba azy (izay tsy nanao kely tsy mba mamindro fa dia nanenjika izay rehetra tsy manao oui-oui), ary indrindra indrindra ny vahoaka Malagasy mpifidy (izay tsy tamin-kenatra na fisalasalàna manome seza 100% ho an’ny TIM ao amin’ny Sénat ary koa isan-jato manakaiky ny 100% ao amin’ny Assemblée.)

3) Krizy ara-miaramila : Miara-miredona ireo jeneraly misotro ronono mitaona ireo manam-boninahitra am-perinasa mba tsy hijery afa-tsy ny tombontsoam-bahoaka. Izao vao tena mahatsapa ny rehetra fa mitady hisy fisaraham-bazana ao ami’ny tafika. Sarotra afenina toa vay an-kandrina izany. Ny tompon’andraikitra amin’izany dia ny Filoha faratampon’ny foloalindahy izay tsy nahay nitantana an’io tafika io. Inoako fa raha hatry ny fiandohan’ny tolona no tena niray hina ny tafika ka nandray andraikitra, ka nomba ny fitondram-panjakana tamin’ny fanaparitahana ny mpitolona dieny mbola tsy nisy fatiolona, tsy ho mbola nipoaka toy izao ho tsapan’ny vahoaka ireo krizy ireo.

4) Krizy kristianina : Sambany angamba teto amin’ny tantaran’ny Firenena Malagasy no nisy krizy teo amin’ny tontolon’ny fivavahana kristianina, ka ny pôlitika no fototry ny olana. Raha misy ny tsi-fitandremana, ahiana mafy ny hifanandrinan’ny samy mpino kristianina. Ny fototry ny olana dia Andriamatoa Filoha Lefitry ny FJKM izay sady mitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena ihany koa. Vao nanakatona ny fiangonana FPVM izy dia ny fiangonana FJKM no voasoketa ho manao amboletra mandrava izay rahalahiny. Tsy vitan’izay fa tafiditry ny resaka pôlitika loatra ny fiangonana ka dia “Tsy crédible” intsony ihany koa ny FFKM. Ary na minia hampifanatrika aza ny FFKM, voatery nanipy gant i Mgr Odon Razanakolona rehefa tsapany fa tsy amin’ny toerana maha-raiamandreny azy no ipetrahany eo amin’ny latabatra fampihaonana.

5) Krizy ekonomika : Mety tsy tena mbola tonga eto angamba ity krizy ekonomika ity. Efa saika tsy hamangy an’i Madagasikara mihitsy aza, saingy noho i Andry Rajoelina nitondra vahoaka hitolona dia tsy misy fanafodiny hialàna amin’izany intsony izao fa dia miandry izay higadonany sisa isika.

Ka misy ve ny vahaolana?

Ny ara-tsosialy sy ara-toekarena aloha dia tsy hisy vahaolana miracle ho hitan’ny sain’olombelona. Fa ho an’izay matoky an’Andriamanitra, rehefa mivaha ny krizy ara-pivavahana dia hain’Andriamanitra ny mamaha ny krizy hafa rehetra. Ny ara-politika dia tsy misy afa-tsy ny fidirana amin’ny repoblika fahefatra. Asa ny krizy ara-miaramila raha hivaha raha toa ka hajoro ny directoire militaire… Ny amin’ny krizy ara-mivavahana dia miankina amin’ny masontsika protestanta io raha hahita hoe misy io krizy ara-pivavahana io na tsy misy. Ary raha misy, inona no marary raha vahana ilay izy?