Friday, January 28, 2011

Raha toa moa ka … taonan’ny fiovana

Manana vaovao ratsy roa aho.

Tanana mifandray, fanaovam-beloma!

Illustration : handshake - AttributionShare Alike Some rights reserved by Aidan Jones

Fa tena tsy haiko aloha na hoe lasa sekoly ho an’ny firenena hafa eto Afrika marina i Madagasikara, fa toa nahagagagaga ihany ny mahita ity tolona sy fionganam-panjakana na fanonganam-panjakana miseho lany eran’i Afrika amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao. Andeha holazaina amin’ny teny tsotra hoe Fiovana na fanovana fa manahirana ihany indraindray ny mampiasa an’ilay voambolana hoe Fanonganam-panjakana, izay mamofona teny maloto. (Izay indray Dôty sy ilay hoe teny maloto).

Tonizia, Ben Ali, nitondra firenena nandritra ny taona maro, nefa voaova tampotampoka teo, voaova tamin’ny hatezeram-bahoaka sy tolona mivaivay dia namoahan’ny fitsarana ao amin’ny fireneny didy fampisamborana.

Côte d’Ivoire, Gbagbo efa asaina maka sisiny, tsy arako tsara aloha izay fampihavanana atao any, misy resaka consensuel sy inclusif ve? Fa ny inoako dia ho tratran’ny fiovana tsy ho ela koa ao Abidjan ao.

Gabon, fa inona ity ataon’i Obama, Obame mantsy e. Zaza ratsy taiza taiza ity? Herintaona mahery aty aorian’ny fifidianana, sy nitondran’ny Filoha dia milaza ianao fa ianao no tena lany tamin’ny fifidianana. Sady amin’izay ny tena kaombila, ilehiry manao fianianana sy milaza tena ho Filoha io tamin’ilay fifidianana natao, dia tary amin’ny laharana fahatelo tary, raha nisy deziem toro dia tsy tafiditra tao akory. Asa koa iza no nampianatra ny mpanohitra afrikanina hoe “En Afrique, tout est permis, et le ridicule ne tue pas”. Tsy dia ahiako hitondra fiovana araka izay antenain’ilay adala lahy io aloha ny fihetsika ataony, nefa mety hitondra fiovana hafa tsy ampoizina kosa raha tsy mitandrina ny mpitondra, asa, tsy mbola fantatro ny ho avy.

Ejipta, misy manozongozona koa i Moubarak, possible aloha ny fiovana raha manaiky hanampy tosika ny Tompo e, Farao aza nataony natelin’ny ranomasina tamin’ny fotoan’androny, ary bandy kely tsy ampy traikefa antsoina hoe Moizy na Mosesy no mba mpitarika ny mpanohitra tamin’izany nefa dia nandresy.

Fa ny fahorian’ny hafa aloha fifalian’ny hafa e! Nisy fifaninanana izay hitako tamin’ny internet, resaka jeux ilay izy: MORPG, tao amin’ny site iray Jagex.com. Betrayal and Ruling no anaran’ilay lalao, ary resaka fitondrana fanjakana sy fanonganam-panjakana, sahalahala amin’ireny Age of Empires ireny, fa mila mpilalao eo amin’ny 7 hatramin’ny 50. Dia tena variana tamin’io lalao io aho, ary tafiditra isan’ireo 50 nahazo be isa indrindra. Dia nahazo fanasana tamin’ny mpamorona ny jeu hifaninana ho lasa testeur an’ilay jeu, raha ny filazan-dry zareo dia 17 izahay no nanaiky hanao an’io fifaninanana io, ka ny 6 voasafidy no horaisiny hokaramaina isam-bolana, ary ny asa atao dia mi-jeu, mikaroka ny bug sy ny tsy fetezana rehetra.

Rehefa nivaly ary ny fitsaran-dry zareo, dia laharana fahafito hono aho, ary ny tena tsy nahatafiditra ahy tao amin’ilay 6 voaray dia hoe somary lafo hono ny karama nangatahiko, nefa dia 1200 USD isam-bolana fotsiny, tokony ho kely izany ho an-dry zalahy fa betsaka kosa ho ahy, saingy diso kajy aho fa hay afrikanina sy indianina no ankamaroan’ny mpifaninana tamiko, ka dia sahy ambanin’izany ry zalahy.

Tampoka teo, tamin’ny alahady teo, naharay imailaka indray aho. Naratra noho ny fihetsiketsehana tao Tunis ho fanovana an’i Ben Ali hono ny iray amin’ireo 6 voaray, voa teo amin’ny masony, ka tsy afaka hanohy hiasa ho an-dry zareo intsony aloha, koa raha mbola vonona aho ary manaiky ny hanena kely ny karama takiako hitovy amin’ny an’io bandy (na sipa, tsy haiko) tonizianina io, dia horaisiny aho manomboka ny tapaky ny volana febroary. 1150 USD kay ny an’i nedala (na ikala), dia io izany no ho karamako isam-bolana manomboka ny volana febroary ho avy izao. Nekeko avy hatrany, tena raha bandy gasy kely ity no mahazo an’izany rehefa mivadika ho ariary, misy ihany izany, amin’izay ilay asa tena mi-jeu mandavanandro.

Izaho no hiantoka ny connexion internet fa mila internet ilay asa, ary tsy maintsy manana ligne 2 moyen débit aho ary ligne iray hafa de secours. Efa an-dalana ankehitriny ny fampidirana fil Telma dia hanana connexion Moov ADSL aho tsy ho ela ho fanampin’ity blueline 4G ity. Fa ny tena tsara dia ity : mandeha amin’ny PDA sy finday avoavo lenta ireo jeux ireo, ary anisan’ny hanao test amin’ireny ihany koa aho. Io kosa dia ry zareo no hampindrana ahy ireo finday hiaka farany hanaovako test, ka dia efa nalefany ary ho voaraiko tsy ho ela hono izany iPhone sy phone mandeha Android izany.

60 heures par semaines ny asa, attention, ary manana ny moyen hanaraha-maso izy hoe tena mi-jeu mandrakariva kosa aho. Vokatr’izay dia nosoratako toy ny tsy teo ny lettre de rupture de contrat amin’ireo mpiara-miasa amiko rehetra ankehitriny. Fa indrisy fa dia tsy hanam-potoana hanoratsoratana eto amin’ny What-if intsony koa moa izany aho fa hikatona hatreo ity blaogy ity. Aza arahin’alahelo, aza androtsahan-dranomaso fa tsofy rano aho ho tafita e! Dia mampamangy.

Eo amin’ilay hoe vaovao ratsy amin’izay isika izao. Rediredy rey olona io nosoratako momba ny asa hoe mi-jeu io a! Raha ny voalohan’ny volana aprily aho no manoratra lahatsoratra toy ity dia vao mamaky ianao dia ho saina tonga fa tsy mba hitsiriritra kely hoe milay izany situation an’ilehiry izany. Bon, fa ny faran’ity lahatsoratra ity tsy maintsy mody atao mi-feinte ihany fa misy ny lava maso mijery mialoha izay ery ambany ery an!

Dia izay no izy fa dia tsofy rano aho amin’izay bizna ho ataoko dia aza arahin’alahelo, aza androtsahan-dranomaso raha toa moa ka … tsy hahavita hanohy hamelona an’i Baby What-if intsony e!