Monday, February 21, 2011

Z’enfants, j’ai raté l’avion

Raha izaho indray aloha an, tsy mba hanaiky ny hiray fiaramanidina amin’Andriamatoa Filoha Marc Ravalomanana izany raha izaho. Raha tamin’ny asabotsy teo izao ohatra aho no hoe isan’ilay mpandeha tamin’ilay zotram-piaramanidina voalohany saika hitondra azy hody an-tanindrazana, ary raha toa ka nanaiky ny hodiany ny fitondrana tateza-mita teto an-toerana sy ny manampahefana tao Afrika Atsimo, dia izaho no ho nanao scandale be ary tsy nanaiky ny hiakarany an’io fiaramanidina io, tsy maninona fa ho nobabeko ny alahelon’ireo rehetra tia an’i Dada aty Madagasikara fa dia izaho mihitsy no ho nisakana azy tsy hiditra tao amin’io fiaramanidina io.

illustration: jaquette DVD du film Maman, j'ai raté l'avion

Asa raha tsaroanareo, efa fotoana elaela ihany izay, fony mbola mpitondra somary mamim-bahoaka ihany ny Filoha Ravalomanana, niharan’ny accident ny hélicoptère nitondra azy mivady sy mpikambana vitsivitsy tao amin’ny governemanta tamin’izany. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’io fa satria vao hanainga ilay hélico no nitontom-body tamin’ny tany. Izay no vaovao ofisialy nampahafantarina antsika mpanara-baovao, fa ny tsiambaratelo sy tena nitranga dia izao haposaka aminao manaraka izao.

- Eo leisy mba hoentiko kely ity angidim-by ity, hoy ny Filoha tamin’ilay pilote; fa tena tsy ary mba ni-pilote an’itony zah!
- Ka he izy izany, Andriamatoa Filoha, tsy ary mbola nitondra ianao koa sao iharan-doza eto isika fa tsy kilalao anie ity fa ny aina no manefa raha …
- Efa nitondra aho leisy, fa tamin’ny Flight Simulator, ary tena mahay an’io aho fa inona no atahoran’ialahy? Mitondra firenena aza haiko ka izay hélico ve? Apetraho ambany dia mialà ialahy hanandramako azy.

Tsy naharesy dohika ilay pilote sady fanampin’izay koa voarahona ny horoahina sy hanaovana antsojay dia nanaiky ihany, ka nanao toy ireny moniteur ireny izany mba manorotoro sao sanatria.

Dia iny hitantsika iny ny niafarany fa vao saika hanainga ilay hélico dia nidaraboka tamin’ny tany. Koa tsy maninona na holazainareo zanak’i Andry Rajoelina aho na TGV hatrany amin’ny tsinaimaintiko na inona koa, fa raha izaho no efa ao anaty fiaramanidina ka hoe hampidirina ao koa Rangahy io dia izaho no hisakana azy ary tsy hanaiky hatramin’ny farany aho. Lahitokana ny aina ko’aaah!

Monday, February 14, 2011

Raha toa moa ka … ADOLANTSENTO [doka]

Amin’izao andron’ny mpifankatia izao dia azo atao ihany koa ny manolotra boky ho an’ny sipa na vady. Misy boky iray tena mbola mikarepoka be ity, amboaran-tononkalo nosoratain’i Hobiana. Tandremo anefa fa natokana ho an’ny zatovo sy olon-dehibe mihoatra ny 13 taona izy ity ka raha mbola 12 taona na latsaka ny sipanao dia aleo CD Justin Bieber no omena azy.

Azo raisina ao amin’ny RARIHASINA, biraon’ny HAVATSA UPEM, rihana voalohany manomboka anio.
Alatsinainy - Alakamisy - Zoma: 9ora - 12ora
Talata - Alarobia: 2ora - 5ora
DEDICACE : Sabotsy 19 febroary amin’ny 9ora 30mn – 12ora ; 2ora – 4ora 30mn
Sarany :Ar 6000 (promo)

Friday, February 4, 2011

Raha toa moa ka … saika tapaka

Vaovao tselatra : saika vita hasoavana ny ankolafy Zafy Albert. Omaly raha nanao valandresaka na tsy haiko ny filaza azy tetsy amin’ny hotel Carlton ny ankolafy Zafy, dia nisy fifamaliana teo amin’ny mpanofa trano (Efa nahaloa vola izahay, hoy ilay olona tao amin’ny ankolafy Zafy, avo vava; koa mahazo miditra izay te hiditra. Midira r’ireto a!) sy ny mpiambina ny trano. Fo rano mafana ka dia voatositosika tamin’izany sakoroka kely izany ingahy Tabera Randriamanantsoa, ary saika tapaka tao raha tsy nahay nianjera.

Nandeha soamantsara ihany ny resaka ary afaka nandray fitenenana i Zafy. Raha io sori-dàlan’i Simao io no izy, hoy ny Profesora, dia tsy handray anjara izahay. Tehaka mirefodrefotra no setrin’izany. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nitehaka nirefodrefotra ihany koa satria dia tena mahafaly tokoa izany hoe tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny firenena ny ankolafy Zafy Albert. Izany tokoa angamba no tao an-tsain’ireo mpanatrika, fa iza ao amin’io ankolafy io amin’izao moa no mba mety hahafaly raha hoe ho isan’ny mpitondra? Zah tsy mahita.

Ny tolo-kevitra narosonay ho amin’ny fifampiresahana izay nomena ny SADC, hoy ihany izy, dia tsy nisy noraisina na dia tokana aza. Hehy ranolava sy hafaliana ihany koa no setrin’izay. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nihomehy ihany koa. Efa tokony ho tonga saina ny ankolafy Zafy raha izany hoe dia tena efa tsy compétent mihitsy na miteniteny foana ka izay rehetra nolazainy ve izany dia tsy nisy hitan’i Simao hoe sensé na dia iray aza?

Circoncision
This picture is in the public domain