Monday, April 11, 2011

Raha toa moa ka … tsy M

Nanokatra bizna iray vaovao izay aho, vao volana vitsivitsy izay. Na dia mitsikaraka manao asa roa mirazotra eo aza aho dia mbola tsy ao anaty teti-bola aloha ny maka assistant(e) hatramin’izao, satria ny tanjona dia ny mba hanome tolotra mora sy zakan’ny besinimaro, ka ferana arak’izay azo atao ny fandaniana rehetra. Rehefa misy ny olona maniry hividy amin’ny tolotra dia manahirana kely ny fakàna vola satria aty ambanivohitr’Antananarivo ny tena no monina, ary manenjika mifanao fotoana amin’ireo mpanjifa any amin’izay misy azy ireo.

Eo amin’ny fivoaran’ny teknolojia anefa, dia azo atao tsara ny manao fifampiraharahana tsy mila mihaona, satria ny zavatra amidy resaka virtoaly (login sy mot de passe no omena dia basy), ary ny fandoavam-bola dia mba efa miezaka miditra ao amin’ny tontolo eto ny M-paiement, na fandoavam-bola amin’ny alàlan’ny finday. Noresena lahatra arak’izany ny mpanjifa sasany mba handoa vola amin’ny alàlan’ny teknolojia vaovao.

Misy 3 ny tolotra m-paiement eto Madagascar, Mvola ny an’ny telma, Orange Money ny an’ny Orange ary Airtel money ny an’ny Airtel. Samy natonina ireo mba hanokafana kaonty tsirairay avy. Zavatra kely no mba notakiako tamin’i Orange: hoe mba misafidy ny marika 7 farany amin’ilay laharana finday aho, saingy valin-teny tsotra koa no azoko: mankanesa aty amin’ny foibe dia mifampidinika. Ny Airtel indray, vao avy nanao résiliation an’ilay abonnement postpayé aho fa hivadika hanjifa Blueline Phone ato ho ato (raha vao mandeha eo ny Blueline TV dia miditra amin’ilay tolotra Triple Play aho), ary ilay puce vaovao dia nasaiko nasiana Airtel Money. Saingy malahelo kill koa angamba ny Airtel ka dia suspendu aloha ilay laharana teo aloha, ary miandry (efa ho herinandro izao) ny handefasany indray an’io laharana efa mahazatra io aho ankehitriny.

Ny tao amin’ny telma kosa dia nandeha tsotra ny fanokafaka ny kaonty Mvola. Hita rahateo ny fahamatorana satria ny azy irery no manana ny site web manokana ny tolotra Mobile Payment, ary hita tsara ao daholo ny fampahalalana karohina rehetra (sarany, mombamomba ny fampiasana azy, …)


Envoyer de l’argent avec M-vola est tout sauf simple, c’est compliqué et … c’est pas instantané.

Faly ery nahazo ity puce vaovao misy marika M, midika fa afaka mampiasa ny tolotra M-vola amin’izay ny tena. Nisy ny mpanjifa nanaiky hampiasa m-vola ka dia nasaina nalefany ary ny S. Fa teo vao niseho ny haratsian’ity tolotra M-VOLA an’ny Telma ity.

Voalohany : Ilay mpanjifa nandefa ny vola, tsy mahazo hafatra (SMS) fanamarinana hoe lasa ny vola na tsia. Ny mijery ny solde an’ny kaonty anefa misy sarany (afa-tsy ny voalohany mijery ihany).

Faharoa : Izaho andefasana ny vola tsy mahazo sms fanamarinana hoe tonga ny vola. Rehefa idirana ny menu dia hoe tsy autorisé, nisy erreur, …

Fahatelo : Niantso ny laharana manokana natokana ho an’ny mpanjifa Mvola, tsy mahazo alàlana hiantso azy ihany koa.

Fahefatra : Niantso tamin’ny finday telma hafa, dia nambara tamiko fa période de réception ny Telma mobile-ko, ka dia izay no tsy ahafahako miantso na ny service clientèle, ary mihantona torak’izay ihany koa ny Mvola amin’ny findaiko, ka tsy afaka mahazo mandray M-vola aloha aho raha tsy mampiditra kely.

Fahadimy : Io antso service clientèle io kay andoavam-bola.

Fahenina : Vetivety kely kay dia lany ilay période ahafahana mandefa antso amin’ny telma.

Fehiny: raha ohatra aho izany ka te hampiasa M-vola, dia mila mampiditra fahana aloha. Dia raha amin’ny 12 alina aho izany no misy urgence, ka te hiantso laharana iray, tsy telma ohatra, ka période de réception, dia tsy afaka mividy fahana amin’ny alàlan’ny Mvola ve satria mihantona ilay Mvola, fa mila mandeha mivoaka aloha mitady mpivarotra 2 Toi à Moi asiana crédit démarrage kely ohatra hoe 200 Ar? (Raha misy ambinambiny ny crédit ao fa tsy azo iantsoana dia azo atao ihany koa ny mividy jours de validité, 200Ar ny 1 andro).

Fotaka ny tolotra Telma, Ratsy ny Mvola, tsy mahavaha olana ny M-vola fa vao mainka mitondra olana, koa dia izay aloha no aspect tsara eritreretinao vao miroboka mamporisika ny olona hampiasa azy. Ilay site-ko amin’io efa voaomana ny mise à jour miaraka amin’ny dokambarotra maimampoana be hampiasa Mvola; izao voatery hofafana indray ireny na hosoloina hoe tsy manao Mvola izahay fa vakio ity blaogy ity raha te hahalala ny antony.

Tssssssss, bandes d’amateurs.

  1. simp

    Wednesday, April 13, 2011 - 18:10:10

    ary tsy efa misy banky manome tolotra hoe cellphone banking ve?
    hoe ny kaonty ampiasaina kaonty any @ banky ihany fa ny operation mampiasa telephone cellulaire fotsiny?

    sao dia izany no metimety kokoa… no sady secure kokoa

  2. simp

    Wednesday, April 13, 2011 - 18:11:44

    misaotra mampafantatra alou eee
    le otran’zao mihintsy no tena ilana ny olona hoe miblaogy…
    tsy hoe publicite negative akory fa hoe fiarovana ny mpanjifa… sy ny hoe famporisihana ny kaompania mba hanatsara ny tolotrany…

  3. DotMG

    Wednesday, April 13, 2011 - 18:57:18

    Ny fitantanana kaontina banky amin’ny finday dia misy ihany saingy lafo ny sarany, tsy ampy ilay tolotra ary tsy mifanentana amin’ny filan’ny mpanjifa. Ohatra iray omeko izao ny BNI, afaka jerena amin’ny finday ny solde an’ny kaontinao saingy raha anio ianao no mijery dia ny solde omaly no azonao fantarina ao fa tsy en temps réel. Tsy hitako izay ilako an’izany, ny appel mbola vidiana amin’ny opérateur, aleoko ihany mampiasa carte fotsiny. Ny fifandefasam-bola dia mila hoe manana kaonty amin’ny banky ilay mpandefa vola sy ny andefasana. Vao mainka koa tantara be.

  4. 0341559819

    Sunday, August 5, 2012 - 14:45:11

    que puis-je faire pour acheter du credit pour mon compte mvola chez telma madagascar?

  5. DotMG

    Tuesday, August 7, 2012 - 00:02:46

    @03415***** Je pense que tu dois aller faire la queue dans un telma shop avec de l’argent liquide et tu demandes à l’op Mvola de créditer ton compte.
    Ou alors, tu peux essayer de vendre quelque chose avec Mvola comme mode de paiement.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment