Friday, May 27, 2011

Raha toa moa ka … Dada 2

Sarisary nataon'ilay vavimatoa

Rehareham-pahombiazana

Tsy trano tena raitra
tsy resaka haitraitra
tsy haingo tsara renty
tsy fiara roa vaventy;

tsy vola sesehena
tsy izay rehetra harena
tsy kara-"tany hanototra"
tsy asa marim-pototra;

tsy vady iray iadanana
tsy ireo talenta ananana,
tsy izay mba mety ho lazako ...
no ataoko ho fahombiazako;

fa tokana lalaiko
ianao ry sombinaiko
n'aiza n'aiza alehako
ianao no ho reharehako.

Ny molotro tsy hikombona
raha misy mampanjombona,
fanoitra iray maharitra
ilay tsikinao finaritra.

Tsy ho kivy ny tarehiko
raha sarotra ny atrehiko;
tsy hisy ny hampijaly
raha toa ianao ka faly.

Ny tànanao miantsampy
sy tsikinao dia ampy
ho fandresena meja,
raha sendra izay mangeja.

Ianao no hianteherana
raha tojo fahanterana
ka n’aiza n’aiza alehako
ianao no reharehako.

DotMG (26 mey 2011)
  1. pissoa

    Tuesday, June 7, 2011 - 11:46:55

    Iza no nanao ilay sary ? Hi hi hi.

  2. DotMG

    Tuesday, June 7, 2011 - 13:40:41

    Tsy ilay dada aloha angamba mazava ho azy an … Smiley no nanao an’io. Manaova ho’aho indria sarinao sy ny zandrin-dria fa havoakako amin’ny What-if.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment