Tuesday, March 19, 2013

An’lah ngah?

- Inona kay ry Dada ny marque an’ny tômôbilantsika?
- Fa mianatra an’izany ngah nareo any am-pianarana?
- An an an, miresaka fotsiny izahay rehefa recréation dia ny an’i Hery 205, dia ny an’i Cynthia hono Clio dia nefa lazain’i Hery fa hoe Renaolina
- Ka samy marina zany fa Renault Clio ny an-dry zareo iny. Ny soratra ao aorian’ny fiara ange no ahitana an’izany marque izany e?
- Dia ny antsika ry Dada inona izany ?
- Rehefa manontany ny ankizy dia valio hoe “An’lah ngah” ny marque an’ny tômôbila-nay hoe. Fa izay zao no soratra ho apetrako ao aorian’ny fiarantsika fa tsy manam-bola hanamboarana an’ireo simba ireo intsony aho.

  1. Karie

    Thursday, March 21, 2013 - 01:07:01

    Tsara kosa lé vam ka tinay ho fantatra ny marque-ny na tsy anay aza hihiihih.
    Mazotoa foana manoratra fa misy mazoto mamaky eto.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment