Friday, March 22, 2013

Poeta afa-tsakana

Poeta afa-tsakana

Ry poeta manan-tsata
Aza kivy, manorata
Mazotoa mitatatata.

Eo sokafy irony vata,
mitahiry kalo, tsanta,
dia ny masaka sy manta;

Dia tonony am-peo mihanta
Na malaza na tsy fanta-
try ny mpihaino, mpankafy.

Asio hira, ovay ho dihy
Handrovitantsika tsihy
Fa tena maro anie no tia.

Ry poeta efa ngeza
MamorOna, mahereza
Mba ny kalonao hateza.

Mipetraha, mahazoa seza
ka ny rima apololory
Ny tena eja no atolory.

Aza avela hisy hatory
Izahay rehetra vory
Handre anao tsy lany bala

Fa ny sakana efa niala
Eny, tsisy mpankahala
Ny rehetra no mandala.

DotMG, 22 mars 2013