Monday, February 14, 2011
Raha toa moa ka … ADOLANTSENTO [doka]
Amin’izao andron’ny mpifankatia izao dia azo atao ihany koa ny manolotra boky ho an’ny sipa na vady. Misy boky iray tena mbola mikarepoka be ity, amboaran-tononkalo nosoratain’i Hobiana. Tandremo anefa fa natokana ho an’ny zatovo sy olon-dehibe mihoatra ny 13 taona izy ity ka raha mbola 12 taona na latsaka ny sipanao dia aleo CD Justin Bieber no omena azy.
Azo raisina ao amin’ny RARIHASINA, biraon’ny HAVATSA UPEM, rihana voalohany manomboka anio.
Alatsinainy - Alakamisy - Zoma: 9ora - 12ora
Talata - Alarobia: 2ora - 5ora
DEDICACE : Sabotsy 19 febroary amin’ny 9ora 30mn – 12ora ; 2ora – 4ora 30mn
Sarany :Ar 6000 (promo)

Friday, February 4, 2011
Raha toa moa ka … saika tapaka
Vaovao tselatra : saika vita hasoavana ny ankolafy Zafy Albert. Omaly raha nanao valandresaka na tsy haiko ny filaza azy tetsy amin’ny hotel Carlton ny ankolafy Zafy, dia nisy fifamaliana teo amin’ny mpanofa trano (Efa nahaloa vola izahay, hoy ilay olona tao amin’ny ankolafy Zafy, avo vava; koa mahazo miditra izay te hiditra. Midira r’ireto a!) sy ny mpiambina ny trano. Fo rano mafana ka dia voatositosika tamin’izany sakoroka kely izany ingahy Tabera Randriamanantsoa, ary saika tapaka tao raha tsy nahay nianjera.
Nandeha soamantsara ihany ny resaka ary afaka nandray fitenenana i Zafy. Raha io sori-dàlan’i Simao io no izy, hoy ny Profesora, dia tsy handray anjara izahay. Tehaka mirefodrefotra no setrin’izany. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nitehaka nirefodrefotra ihany koa satria dia tena mahafaly tokoa izany hoe tsy handray anjara amin’ny fitantanana ny firenena ny ankolafy Zafy Albert. Izany tokoa angamba no tao an-tsain’ireo mpanatrika, fa iza ao amin’io ankolafy io amin’izao moa no mba mety hahafaly raha hoe ho isan’ny mpitondra? Zah tsy mahita.
Ny tolo-kevitra narosonay ho amin’ny fifampiresahana izay nomena ny SADC, hoy ihany izy, dia tsy nisy noraisina na dia tokana aza. Hehy ranolava sy hafaliana ihany koa no setrin’izay. Raha mba isan’ny nanatrika tao aho dia ho isan’izay nihomehy ihany koa. Efa tokony ho tonga saina ny ankolafy Zafy raha izany hoe dia tena efa tsy compétent mihitsy na miteniteny foana ka izay rehetra nolazainy ve izany dia tsy nisy hitan’i Simao hoe sensé na dia iray aza?

This picture is in the public domain
Thursday, February 3, 2011
Raha toa moa ka … tapitra
Fa tamin’ilay faintin’ny fiovana iny an, dia nanambara aho hoe misy vaovao ratsy anankiroa, saingy ny iray ihany no voalaza tao dia ny amin’ilay hoe rediredy ilay resaka fiovana teo amin’ny asa ataoko.
Anisan’ny fiovana mba azo lazaina ho toa tsaratsara ihany teto Madagasikara ny momba ny halakin’ny tosa-pifandraisana amin’ny internet. Ry zalahy faly amin’ny Moov toa milaza afa-po ihany, izaho mampiasa blueline 4G koa dia mahita fa mba rapide kosa ity tantara ity. Ny halafony aloha mbola tsy horesahina fa rehefa mba mahita 56 ko/s kosa ny download ary eo amin’ny 14 ko/s ny upload; ary mba constant amin’izay ilay raha, tsy efa tsara lavitra noho ny teo aloha kosa ary ve? Nisy fotoana anefa aho nitaraina ihany hoe be sakantsakana sy fikafika ity blueline ity. Nisy fotoana tokoa aho naniry haka zavatra amin’ny torrent, fa tsy mety mandeha ilay izy. Dia tena nihaiky an’i Blueline aho hoe mahay manao blocage ry zalahy. Tsy mety akana zavatra amin’ny rapidshare sy megaupload ireny ihany koa ny blueline noho izy adresse IP itambarana, izany hoe mety mpanjifa miisa 600 mizara adiresy IP iray, koa rehefa jeren’ny serveur an’ny rapidshare ireny hoe efa manao téléchargement io adiresy IP io dia tsy afaka manao téléchargement hafa intsony. Vokany, rehefa te hanandrana haka zavatra iray ianao, dia mamaly ilay serveur hoe andraso aloha ho vita ny téléchargement efa ataonao, kanefa io téléchargement atao io mpanjifa tsy fantatrao hoe iza na aiza no manao azy.
Ka atao inona ary haut débit raha toa ka … tsy azonao ampiasaina amin’ilay tianao hanaovana azy ilay connexion? Manginy fotsiny ny ompan-dry Google indraindray rehefa manao fikarohana iny ianao dia lazainy hoe sao dia robot hono fa toa mandefa requêtes be dia be… Kay rehefa nodinihina ilay olana tamin’ny torrent, tsy i Blueline no manakana fa ilay resaka adresse IP itambarana no nampisy olana. Nisy mpanjifa mizara adiresy IP amiko nanao téléchargement ihany koa tao amin’ilay serveur tracker an’ilay torrent dia tsy tian’ilay serveur koa hoe comptes maromaro miaraka mampiasa azy avy amin’ny adiresy IP iray amin’ny fotoana iray.
Mba faniriako ihany koa izany hoe mba ho accessible avy any ivelany ny machine-ko. Indraindray mantsy aho any am-pandehanana any, mba maniry ny hampiasa ny machine-ko ato an-trano amin’ny alàlan’ny VNC ohatra, dia tsy mety satria ilay adiresy IP publique iny itambarana amin’ny bodo sy adala, dia mihantona ao amin’ny proxy an’i Blueline fa tsy mety tonga aty amin’ny port an’ny machine-ko.
Voatonona ho amin’ny fiandohan’ity volana febroary ity ny fahataperan’ny adiresy IP vaovao afaka zaraina amin’ny machine vaovao. Io ilay atao hoe IPv4 exhaustion. Izany hoe eo anivon’ny IANA, izay foibe mizara ilay adiresy dia voalaza fa ny alakamisy 3 febroary 2011 no hizarany ny ampahany farany ananany amin’ireo bolongana adiresy. Tokony hisolo ny IPv4 ny IPv6, izay tsy lany holaniana raha ny isan’ny adiresy azo hozarainao ao, saingy mbola vitsy dia vitsy ny mpikirakira ny internet no efa vonona amin’io fiovàna io.
Tsss, ilay IPv4 koa anie izany mitovy amin-dry Ratsiraka sy Ben Ali sy ry Moubarak sy ny filoha Afrikanina e! Firy taona izy nanjaka tokana teo, izao efa mba irina hoe TAPITRA ny tantarany nefa dia midongy seza be.
Tena mba faniriako anefa ny hoe tsy misy resaka IP partagé izany intsony rehefa tapitra ny tantaran’ny IPv4 fa tonga dia samy mahazo IPv6 fixe tsirairay avy ny mpanjifan’ny FAI.
Tuesday, February 1, 2011
Raha toa moa ka … mandady mihemotra
Taloha, fony tsy mbola lasa lavitra ny fandrosoana, dia paositra no nandefasana hafatra, tamin’ny alàlan’ny taratasy. Io ilay natao hoe mail. Fa rehefa nandroso kosa ny teknolojia, dia haingana kokoa, mora kokoa, ny mandefa izany amin’ny alalan’ny fomba elektronika, dia nanjary teraka ny e-mail. Fa tsy ny mail ihany no azo tovanana e- fa sehatra maro hafa koa, toy ny fianarana ohatra, mianatra amin’ny alàlan’ny internet dia nisy izany e-learning; fikôtina sipa amin’ny internet izany e-dating, etsetra, etsetra, izay zavatra atao amin’ny alàlan’ny internet dia tovonana e- dia lasa teny iray lamaody be.
Taloha, fony tsy mbola lasa lavitra ny fandrosoana, dia vola no nentina niantsena nividy entana. Ankehitriny indray, na ny carte bancaire aza toa efa hilaozan’ny toetr’andro fa amin’ny alàlan’ny finday indray no ifanefana vola. Io indray no atao hoe m-paiement na m-vola hozy ny telma. Dia raha misy service hafa vaovao mampiasa ny finday indray dia hotovonana m- dia lasa teny lamaody.
Ankehitriny kosa, dia misy ny firenena izay tery ara-politika na ara-tetibola ka mampalahelo fa toa mi-torna. I Ejipta izao, mba hanakanana ny tolona ataon’ny vahoaka hono dia foanana ny internet. Koa rehefa foanana ny internet, dia hiova ny anaran’ny firenena ka ho lasa Jipta fotsiny sisa izany e?
Misy izany Madagasikara izany koa, sakantsakanana amin’izany PIU izany koa hono ny bizna ataon’ny mpandraharaha amin’ny fifandraisana koa ahiana hihemotra indray koa ny fampiasana finday. Eee, ho lasa Adagasikara koa no hiafaran’ny anaran’io firenena io.

I, Duloup (GFDL), CC-BY-SA-3.0 or CC-BY-SA-2.5-2.0-1.0, via Wikimedia Commons
Friday, January 28, 2011
Raha toa moa ka … taonan’ny fiovana
Manana vaovao ratsy roa aho.

Illustration : handshake - ![]()
Some rights reserved by Aidan Jones
Fa tena tsy haiko aloha na hoe lasa sekoly ho an’ny firenena hafa eto Afrika marina i Madagasikara, fa toa nahagagagaga ihany ny mahita ity tolona sy fionganam-panjakana na fanonganam-panjakana miseho lany eran’i Afrika amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao. Andeha holazaina amin’ny teny tsotra hoe Fiovana na fanovana fa manahirana ihany indraindray ny mampiasa an’ilay voambolana hoe Fanonganam-panjakana, izay mamofona teny maloto. (Izay indray Dôty sy ilay hoe teny maloto).
Tonizia, Ben Ali, nitondra firenena nandritra ny taona maro, nefa voaova tampotampoka teo, voaova tamin’ny hatezeram-bahoaka sy tolona mivaivay dia namoahan’ny fitsarana ao amin’ny fireneny didy fampisamborana.
Côte d’Ivoire, Gbagbo efa asaina maka sisiny, tsy arako tsara aloha izay fampihavanana atao any, misy resaka consensuel sy inclusif ve? Fa ny inoako dia ho tratran’ny fiovana tsy ho ela koa ao Abidjan ao.
Gabon, fa inona ity ataon’i Obama, Obame mantsy e. Zaza ratsy taiza taiza ity? Herintaona mahery aty aorian’ny fifidianana, sy nitondran’ny Filoha dia milaza ianao fa ianao no tena lany tamin’ny fifidianana. Sady amin’izay ny tena kaombila, ilehiry manao fianianana sy milaza tena ho Filoha io tamin’ilay fifidianana natao, dia tary amin’ny laharana fahatelo tary, raha nisy deziem toro dia tsy tafiditra tao akory. Asa koa iza no nampianatra ny mpanohitra afrikanina hoe “En Afrique, tout est permis, et le ridicule ne tue pas”. Tsy dia ahiako hitondra fiovana araka izay antenain’ilay adala lahy io aloha ny fihetsika ataony, nefa mety hitondra fiovana hafa tsy ampoizina kosa raha tsy mitandrina ny mpitondra, asa, tsy mbola fantatro ny ho avy.
Ejipta, misy manozongozona koa i Moubarak, possible aloha ny fiovana raha manaiky hanampy tosika ny Tompo e, Farao aza nataony natelin’ny ranomasina tamin’ny fotoan’androny, ary bandy kely tsy ampy traikefa antsoina hoe Moizy na Mosesy no mba mpitarika ny mpanohitra tamin’izany nefa dia nandresy.
Fa ny fahorian’ny hafa aloha fifalian’ny hafa e! Nisy fifaninanana izay hitako tamin’ny internet, resaka jeux ilay izy: MORPG, tao amin’ny site iray Jagex.com. Betrayal and Ruling no anaran’ilay lalao, ary resaka fitondrana fanjakana sy fanonganam-panjakana, sahalahala amin’ireny Age of Empires ireny, fa mila mpilalao eo amin’ny 7 hatramin’ny 50. Dia tena variana tamin’io lalao io aho, ary tafiditra isan’ireo 50 nahazo be isa indrindra. Dia nahazo fanasana tamin’ny mpamorona ny jeu hifaninana ho lasa testeur an’ilay jeu, raha ny filazan-dry zareo dia 17 izahay no nanaiky hanao an’io fifaninanana io, ka ny 6 voasafidy no horaisiny hokaramaina isam-bolana, ary ny asa atao dia mi-jeu, mikaroka ny bug sy ny tsy fetezana rehetra.
Rehefa nivaly ary ny fitsaran-dry zareo, dia laharana fahafito hono aho, ary ny tena tsy nahatafiditra ahy tao amin’ilay 6 voaray dia hoe somary lafo hono ny karama nangatahiko, nefa dia 1200 USD isam-bolana fotsiny, tokony ho kely izany ho an-dry zalahy fa betsaka kosa ho ahy, saingy diso kajy aho fa hay afrikanina sy indianina no ankamaroan’ny mpifaninana tamiko, ka dia sahy ambanin’izany ry zalahy.
Tampoka teo, tamin’ny alahady teo, naharay imailaka indray aho. Naratra noho ny fihetsiketsehana tao Tunis ho fanovana an’i Ben Ali hono ny iray amin’ireo 6 voaray, voa teo amin’ny masony, ka tsy afaka hanohy hiasa ho an-dry zareo intsony aloha, koa raha mbola vonona aho ary manaiky ny hanena kely ny karama takiako hitovy amin’ny an’io bandy (na sipa, tsy haiko) tonizianina io, dia horaisiny aho manomboka ny tapaky ny volana febroary. 1150 USD kay ny an’i nedala (na ikala), dia io izany no ho karamako isam-bolana manomboka ny volana febroary ho avy izao. Nekeko avy hatrany, tena raha bandy gasy kely ity no mahazo an’izany rehefa mivadika ho ariary, misy ihany izany, amin’izay ilay asa tena mi-jeu mandavanandro.
Izaho no hiantoka ny connexion internet fa mila internet ilay asa, ary tsy maintsy manana ligne 2 moyen débit aho ary ligne iray hafa de secours. Efa an-dalana ankehitriny ny fampidirana fil Telma dia hanana connexion Moov ADSL aho tsy ho ela ho fanampin’ity blueline 4G ity. Fa ny tena tsara dia ity : mandeha amin’ny PDA sy finday avoavo lenta ireo jeux ireo, ary anisan’ny hanao test amin’ireny ihany koa aho. Io kosa dia ry zareo no hampindrana ahy ireo finday hiaka farany hanaovako test, ka dia efa nalefany ary ho voaraiko tsy ho ela hono izany iPhone sy phone mandeha Android izany.
60 heures par semaines ny asa, attention, ary manana ny moyen hanaraha-maso izy hoe tena mi-jeu mandrakariva kosa aho. Vokatr’izay dia nosoratako toy ny tsy teo ny lettre de rupture de contrat amin’ireo mpiara-miasa amiko rehetra ankehitriny. Fa indrisy fa dia tsy hanam-potoana hanoratsoratana eto amin’ny What-if intsony koa moa izany aho fa hikatona hatreo ity blaogy ity. Aza arahin’alahelo, aza androtsahan-dranomaso fa tsofy rano aho ho tafita e! Dia mampamangy.
Eo amin’ilay hoe vaovao ratsy amin’izay isika izao. Rediredy rey olona io nosoratako momba ny asa hoe mi-jeu io a! Raha ny voalohan’ny volana aprily aho no manoratra lahatsoratra toy ity dia vao mamaky ianao dia ho saina tonga fa tsy mba hitsiriritra kely hoe milay izany situation an’ilehiry izany. Bon, fa ny faran’ity lahatsoratra ity tsy maintsy mody atao mi-feinte ihany fa misy ny lava maso mijery mialoha izay ery ambany ery an!
Dia izay no izy fa dia tsofy rano aho amin’izay bizna ho ataoko dia aza arahin’alahelo, aza androtsahan-dranomaso raha toa moa ka … tsy hahavita hanohy hamelona an’i Baby What-if intsony e!
Wednesday, January 26, 2011
Et si … étrange histoire
Quand cela s’est passé, j’étais enceinte. Mon ventre n’était pas encore visible, bien que j’entamais déjà le quatrième mois de grossesse. Je n’étais pas tellement enthousiaste à l’idée de porter un bébé. Mon état a changé, trop changé depuis. Je suis toujours fatiguée, le moindre petit effort m’exténue, et j’ai une éternelle envie de pisser. Peut-être toutes les trente ou soixante minutes, je suis obligée de trouver un endroit pour décharger une petite quantité d’urine. Pas beaucoup, souvent juste une bouchée, mais la pression m’est toujours intolérable, et il m’est impossible de me retenir.
Quand cela s’est passé, je savais que j’avais fait une grossière erreur, et j’avais nettement l’impression que quelque chose de très grave, de vitale, allait m’arriver, mais je n’arrivais pas à cerner lequel, comment, où, quand… Je savais, oui, savoir, c’est le mot; je savais que je risquais très gros, que la tournure des évènements allait changer complètement et irréversiblement ma vie, mais ce que je ne savais pas, c’est si je pouvais l’éviter, ni quoi éviter ou comment l’éviter.
Quand cela s’est passé, je sortais du cabinet de gynécologie et je venais de boire une grande quantité d’eau, mais j’avais oublié d’aller aux toilettes avant de partir. J’ai ressenti l’envie de pisser au moment exact où je me suis rendue compte que j’aurais dû le faire avant de quitter le local du Cabinet Maeva, je faisais alors la queue pour attendre le bus qui me ramènerait chez moi. Instinctivement, j’abandonnais l’idée d’aller en bus pour rentrer, et je prenais le premier taxi qui passait à l’arrêt. Le taxi allait vraiment vite, et il n’y avait pas d’embouteillage, mais quelque chose d’étrange se passait.
Quand cela s’est passé, un gendarme a arrêté le taxi qui me ramenait, alors qu’il y avait un ou deux kilomètres à rouler avant d’arriver chez moi. Il nous a informés que la zone est sous investigation, et qu’aucun véhicule n’est autorisé à rouler un mètre de plus, et que le conducteur devait s’arranger avec les passagers et faire demi-tour. J’ai alors accepté de descendre et m’apprêtais à faire le reste à pied. Le gendarme n’a pas donné d’autres explications sur l’investigation qui a lieu, mais mon pressentiment m’indiquait que j’étais concernée, que cela avait quelque chose à voir avec la maison où j’habitais.
Quand cela s’est passé, un très grand nombre d’hommes en uniformes ornaient la ruelle que j’empruntais. Tous, ils me regardent étrangement, comme si je n’avais pas ma place dans ce scène, et certains me fixent du regard comme si j’étais coupable de quelque chose. Cela me donnait une étrange panique qui à son tour, aggravait mon envie de pisser. Un kilomètre à pied, ça n’use pas les souliers mais quand vous avez très très très envie de pisser, cela parait interminable. Je sentais que ma vitesse augmentait exponentiellement, tout comme la pression de mon bas-ventre. La ruelle qui mène chez moi, c’est une ruelle de campagne, peu de piétons normalement et bordée de quelques arbres et arbustes ici et là, où je faisais mes besoins parfois quand j’étais encore petite.
Mais quand cela s’est passé, je ne pouvais pas satisfaire mon besoin derrière le premier arbuste qui croisait mon chemin, à cause de ces hommes en uniforme qui m’auraient aperçue. La pression était pourtant à son comble, mais l’allée n’était pas dégagée. Devant moi, je n’apercevais plus d’autres personnes qui m’auraient gêné, mais derrière, je voyais quatre hommes qui marchaient à la même vitesse que moi. J’avais le choix entre me forcer à me retenir, avec le risque de faire dans ma culotte, ou bien satisfaire ce besoin pressant sous les regards de ces hommes étranges. Après une courte réflexion, je comprenais que la première n’est pas la solution car je ne pourrais tout simplement pas me retenir jusqu’à arriver chez moi, même en courant de toutes mes forces. C’est alors que je me suis arrêtée, faisant semblant de chercher quelque chose dans ma poche, et les hommes me dépassaient sans même me regarder. Une fois dans leurs dos, je me suis accourue vers le rebord de l’allée, me cachant derrière un arbuste, puis je me suis mise en position accroupie et déversait ce liquide qui me faisait une si grande peine. Se décharger de ce lourd fardeau, c’était une sensation au summum de l’agréable, que j’aurais très vite oublié… Mais pendant que ce déversement était fait seulement à moitié, j’ai entendu la sirène assourdissante d’une voiture de police ou de pompier, puis je voyais les quatre hommes revenir, m’aveuglant avec une torche électrique.
Cette illustration est une toile de Paul Pinson, publiée sur ce blog avec son aimable autorisation. En retour, avec mes remerciements, je vous propose de voir ses expo ou ses autres blogs
Quand cela s’est passé, je n’étais pas enceinte, et ces hommes en uniforme n’existaient pas. Cette allée que je croyais mener chez moi, je ne la connais même pas, je ne la reconnais pas dans mes moindres souvenirs. Non, je n’étais pas enceinte, j’étais même encore vierge. Je venais de me marier, et c’était ma nuit de noce. J’étais dans notre lit, je rêvais, à côté de mon tout nouveau mari. Je le connaissais depuis sept mois, on s’aime à la folie et on n’a pas encore fait l’amour. On a failli faire l’amour une fois, mais quand je lui ai prévenu que j’étais encore vierge, il a dit que c’était la plus merveilleuse nouvelle que je pouvais lui donner, et qu’il souhaitait attendre notre nuit de noce pour notre première fois. Ce jour-là, on s’est marié. Après la fête, j’étais un tout petit peu ivre, et lui trop fatigué d’avoir tellement dansé, qu’on a, d’un commun accord, préféré dormir pour se ressourcer; et on a mis l’alarme à vingt-trois heures, afin que notre première fois eusse lieu le même jour de notre mariage. C’était cela la réalité, les autres sont mes rêves. La sirène que j’ai cru entendre dans mon rêve, c’était l’alarme de son téléphone, la torche aveuglante, c’était l’ampoule qu’il a allumé. J’ai fait un rêve, un étrange rêve, rien n’était réel, sauf le litre d’urine que j’ai déversé dans notre lit, à travers ma robe de mariée. Oui, dormir avec ma robe de mariée ne me gênait pas, et il trouvait cela sexy, je me suis endormie avec ma robe de mariée.
Friday, January 21, 2011
Raha toa moa ka … azo dia namana.
Raha ny fahatsiarovako azy dia misy karazany roa ny kilalao fanenjika fanao fony ankizy. Ny voalohany dia ilay hoe azo dia boka; ny faharoa dia ilay azo dia namana. Ilay azo dia boka, misy olona iray atao hoe boka, manenjika ireo ankizy hafa izay mitsoaka, ka izay azony voalohany dia iny indray no lasa boka, hanenjika ny hafa avy eo, ary rehefa mahatratra ankizy anankiray ianao dia lasa tsy boka intsony fa isan’ireo hoenjehina indray kosa. Ny azo dia namana kosa indray, rehefa mahatratra ankizy iray ianao dia lasa boka iny, fa ianao kosa mbola mijanona ho boka hatrany mandra-pahatratra ny ankizy rehetra rehetra. Izany hoe mihamaro mihamaro hatrany ny ao amin’ny ankolafin’ny mpanenjika mandra-pahatratra ny farany amin’izay enjehina, dia izay vao miverina lasa tsy boka ny rehetra, ankoatr’izay tratra voalohany.
Ny areti-mandoza SIDA dia mitovitovy amin’io kisary azo dia namana io, izay rehetra tratra dia lasa mpanenjika ireo tsy mbola voa mba hamindrana ny aretina, saingy toa tsy hisy fiafarana ilay fanenjika fa rehefa tratra ianao dia boka mandra-pahafaty, fa ny fahafatesana no farany.

Ny taona 2019, nisy aretina tsy fantatra nihanaka eran-tany nanova ny olombelona rehetra ho lasa vampira avokoa. Manakaiky ny ho lany tamingana ny isan’ny olona tsy mbola nivadika ho vampira, fa ireo efa lasa vampira kosa dia mihasarotra ny fihazany ireo olombelona salama hisotroany ny rany hivelomany, koa mila mikaroka sakafo hafa hasolo ny ran’olombelona haingana koa izy ireo dieny tsy mbola tara loatra. Nisy anefa tato aoriana fikambanana miafina vampira sy olona salama nahita fanafody izay afaka hanavotra ny taranak’olombelona eto an-tany.
Ankoatry ny SIDA dia ny tantarana vampira ihany koa dia mitovy amin’io azo dia namana io. Ran’olombelona no iveloman’ny vampira, ary manaikitra eo amin’ny tenda eo ilay vampira lava nify, ka izay voakaikitra dia lasa vampira toa azy ihany koa. Toy ny SIDA ihany koa anefa, izay tratra dia tsy miverina ho olombelona intsony fa dia vampira mandra-pahafaty. Fa io filma mitondra ny lohateny hoe “DAY BREAKERS” na “L’AUBE DES SURVIVANTS” io kosa, dia afaka miverina ho olombelona indray ireo vampira.
Eto am-pamaranana ny lahatsoratra isika izao dia asa raha arakao hoe ity fanaovana politika mamadika kilaoty eto amin’ny tanàna ity no tena tiako ho-sariitarina amin’ilay hoe azo dia namana. Voalohany aloha, Ratsiraka contre Ravalo, avy eo azon-dRatsiraka i Zafy dia Deba+Zafy contre Ra8. Dia avy eo azon’zalà Rajoelina dia Deba+Zafy+TGV contre Ravalo. Dia avy eo azon’i Rajoelina ry Sylla sy Rajemison sy ry Zazah, dia izany rehetra izany contre Ravalo. Dia avy eo resy kely Ravalo dia mitsangana izany Alain Andriamiseza manampy an-dRavalo. Dia miara-mitolona manampy an-dRavalo izany Fetison, Mamy Rakotoarivelo, Meme, Raharinaivo Andrianantoandro…
Dia avy eo azon-dRavalo kosa indray Zafy sy Ratsiraka dia lasa ankolafy telo, ry Andriamiseza indray tratran’i TGV. Dia tratran’i TGV indray Raharinaivo. Dia izao toa mitady ho tratra koa ry Fetison sy Mamy Rakotoarivelo. Dia i Charles sy ry Rakoto-nandra-sana indray ity no toa tratran’ny mpifanandrina amin’ny TGV. Rehefa kelikely dia Ravalo sy TGV no mpisakaiza tsy mifankafoy mifanohan-tsy ho lavo dia taraiky eo ny sisa.
Mahereza fo mitolona ry Tanora havako isany, izy samy lehibe mifanao azo dia namana fa ianao ho lasa Tanora Goaka Vody na Tanora Idiran’ny Matsatso eo.
Friday, January 14, 2011
Raha toa moa ka … taonan’ny bitro
Rehefa taom-baovao toy izao dia mahazatra ny mandre ny mpaminany izatsy na ny mpahita ny miafina izaroa manambara ny hitranga amin’ity taona ity. Somary reraka aty ambanivohitr’Antananarivo aty moa izahay ka tsy toy ny tamin’ny taona lasa fa toa tsy manam-potoana firy intsony hanalana azy mamaky an-dry Mme Shabberah na ry Pasitera Mailhol. Asa izay nolazain-dry zareo fa internet no azo ialana vonkina eto dia naleo izany nikaroka tamin’ny internet izay ho fahitan’ny sasany ity taona ho avy ity.


Cette photographie par DotMG est mise à disposition selon les termes de la licence Creative Commons Paternité - Partage des Conditions Initiales à l’Identique 3.0 Unported.
Basé(e) sur une oeuvre à dotmg.net.
Dia ny tononandro sinoa aloha no mba novakivakiana, fa mialoha an’izay dia tsara angamba aloha ny manamarika hoe ity taona 2011 ity hono dia ho taonan’ny fifidianana hoy ny Filoha Andry Nirina Rajoelina, satria notombanany hifanesisesy ny fifidianana eto Madagasikara amin’ity taona ity. Raha sendra tafaresaka tamina mpitandrina Malagasy iray izay indray aho dia nilaza izy fa hoe ho taonan’ny fitiavana hono ity taona 2011. Tsara izany ho’aho, saingy toa lasa “teny maloto” izany fitiavana izany ho an’ny mpanohitra, noho io voambolana io toa efa lasan’ny Filoha ambongadiny amin’izay ataony rehetra. Fa raha hiverina amin’ny tononandro sinoa teo isika dia ho an-dry zareo kosa indray dia ho taonan’ny bitro ity taona 2011.
- Ny taonan’ny bitro hono dia taona mampety tsara ny dinika ambony latabatra sy ny fifanarahana, ary hiezaka hifanara-tsaina hono ny mpitondra eto an-tany mba hisian’ny filaminana any amin’ireo tany niharan’ny krizy politika.
- Fa ny bitro hono dia biby tsy tia fifandirana ary hanao ny fomba rehetra hialana amin’ny fifandonana.
- Ny olona teraka amin’ny taonan’ny bitro hono dia olona manan-talenta sy be ambitions. Malaza ary manana fanahin’artista.
Ho tanteraka tokoa anie izany!
Hamaranako azy dia mirary soa ny Filoha aho amin’izay kinasany hanasoavana ny firenena. Mirary ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ihany koa hiroborobo amin’ny ara-pitiavana sy ara-karena amin’ity taona 2011 ity.
Dia farany mba hanipy teny kely ho an’ny Filoha raha te haharitra tsy hangozohozo eo amin’ny fitondrana izy. Izy ity indray dia faminanian’i DotMG manokana, ary mampahatsiahy fotsiny aho fa ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny efa notoroako hevitra tsy hanao an’iny lalana mandrara ny film matroka amin’ny fiarakodia iny nefa tsy laitra nakisoka ka dia iny no niafarany. Koa ny hafatra dia anankiroa : voalohany foano io eritreritra hanao PIU io fa fika hafa atao hampidiram-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana. Faharoa, dia mba dokadokafy ilay PDS-n’Antananarivo Renivohitra amin’ny asa ataony ary ataovy izay tsy hisian’ny disadisa eo amin’ny mpitondra ny firenena sy ny mpitantana ny renivohitra.
Vita tompoko.
Thursday, January 6, 2011
Raha toa moa … katsaka, tsaramaso, voanjobory.
Tapa-kevitra hiblaogy indray hono izy. Tsara.
Resaka kivalavala hono no tena ho maro ao amin’ny blaoginy. Mainka tsara.
Tsy manam-potoana firy hono izy ka dia tsy hosokafany ny fametrahana fanamarihana. Kay leannna. Tohina be mihitsy aho. :(
Dia ho tezitra anefa dia hanao inona? Hametraka fanamarihana ao amin’ny blaoginy tsy ho afaka. Hitaraina eto amin’ny blaogiko, fotoana hamakiany ny azy aza tsy ananany koa ahoana no fomba hahitany izay fatina what-if anao zany? Tsy olana e, impiry mba hitabataba anefa, aleo avoaka eto ihany ny fahadisoam-panantenana sao mba misy mpi-blaogy amin’ny bozaka (blogger en herbe) mamaky dia mba mahita dieny mialoha hoe tena tsy rariny mihitsy izany hoe blaogy tsy azo ametrahana fanamarihana izany.
Ny anay eto izao rehefa kelikely hanakaramana olona ny mametraka fanamarihana eto fa tena sady vitsy mpitsidika no tsy popular sahala amin’ny an-dry Jentl. Sao ho fotsy rora mitatatata eto nefa tsy misy mpamaky. (Hitako sahady izao ilay mpamaky efa mitady ny hametraka comm’s kely mba hampiononana ahy, dia mamaky an’ity vao mitsiky kely sy mihemotra indray).
Iantsaliana koa rangah tsssss.
Io anie na tsy manam-potoana hamakiana ny fanamarihan’ny olona aza ianao, afaka tsy sakananao ny fametrahan’ny mpankafy izany e, dia izy samy mpankafy no mifandefa comms eo. Efa mba nohatsarain’i sefo ihany ny captcha ka tsy hanana anjara toerana be loatra angamba irony fakon-kafatry ry Lorray irony.

Katsaka tsaramaso voanjobory
Hanina harivariva mampatory
Karapapaka, ron’angivy, besisika
Hanina harivariva mamparisika
Karaoty, voatabia, mangahazo
Hanina harivariva mampalazo
Moknazy, mosakiky, mofo akondro
Hanina harivariva mahabe fanondro.
















