Wednesday, November 4, 2020

Love, Death, Robots. Ep 3: End of life

Misy jiro “témoins” miisa enina tsy mety maty eo amin’ny fiarako. Samy milaza zavatra tsy metimety ireo. Mety ho olana lehibe ny sasany, mety ho olana kelikely ny ankamaroany, fa dia manimba maso daholo anefa izy ireo.
Efa betsabetsaka ihany izay vola lany niezahana namerenana an’io fiara io mba ho “azo antoka” indray, izany hoe mba rehefa misy toerana lavitra irina hitondrana azy dia tsy hampitaintaina fa hatokisana hahatonga any. Mahagaga anefa fa arakaraky ny anamboarana zavatra iray, dia misy zavatra roa hafa farafahakeliny any an-kafa lasa simba ka mila amboarina ihany koa. Ny azo ekena dia efa antitra ilay fiara, raha any amin’ny tany mandroso io dia anisan’ny tsy mahazo alàlana hifamoivoy intsony.

Raha zavamananaina io fiara io, dia an-kevitry ny efa ambavahaona, miala aina mihitsy angamba. Raha zavamananaina izy dia efa maniry ny hitsahatra tanteraka, handry am-piadanana ao anatin’ny atao hoe fahafatesana. Saingy, tsy manan’aina moa izy ka dia izay tian’ny tompony eo, na hialàny nenina mandrakizay eo aza.

Efa reraka toa an’ity fiara ity koa ny findaiko. Misy simba ny écran, ka na tsy manapotsitra na inona na inona aza aho, dia misy faritra (pixel) anankiray toy ny voapotsitra ho azy, isaky ny 10 hatramin’ny 30 segondra ilay hatetik’izay tranga izay.
Izany hoe raha hanoratra laharana hantsoina aho izany, dia mila haingana be manoratra, na mampiasa bokotra “Back” matetika fa mivadika fafana hafa no miseho.
Manana vahaolana aho : na hanamboatra, na hanao “bidouillage”, na hanolo finday.
Ny hanamboatra dia hitovitovy amin’ny vidin’ny finday ny manolo écran, ny vatoaratra anefa efa manomboka ho reraka afaka volana vitsivitsy, ny zavatra hafa ho simba ihany koa tsy ferana.

Tableau de bord Edouard

Vahaolana tsotra kokoa ny mividy vaovao, saingy ny tena kahihitra toa halahelo hoe finday mbola tokony ho azo ampiasaina ihany nefa hapetra-potsiny. Raha hividy finday hafa aloha dia mety hamidy mora izy ity e, mba hanome fahafinaretana ho an’izay “kely budget” any ho any nefa afaka mihafihafy amin’ny kilemany.
Ny hanao bidouillage no safidy noeritreretiko. Hanamboatra “application” android iray aho, toy ireny Facebook Messenger misy boribory kely misy sarin’olona mandefa hafatra ireny, ka rehefa eo amin’iny no voapotsitra dia tsy ilay application ato ambany no mandray ny “event” fa ilay Facebook. Izy fotsiny no tsy Facebook no anarany, ary pixel iray (na 4 na 9 na 16) no ho haben’ilay “fenêtre” ary hametraka ny tenany eo amin’ilay faritra simba amin’ny écran io application io. Handany fotoana (mira vola) ny hanamboatra an’izay application izay, saingy hanamboarana saina dia hoe tsy fatiantoka satria fahaizana ho an’ny tena.

Fa toy izany fahihirako amin’ny fiara sy ny findaiko izany no toetrantsika olombelona manoloana ny fahafatesana. Ataontsika ho zavatra sarobidy indrindra ny aina, ny ain’olombelona, ka na fantatra aza fa tsy dia ho resy toy inona io fahafatesana io, raha mbola misy azo atao dia atao foana. Toa sarotra amintsika ny hanaiky fa mba manana zo hitsahatra ihany koa io fo mitempo, io saina miasa io, io aina mahavelona io, indrindra rehefa ao anaty vatana tsy mety salama. Mahagaga fa maro ny mivavaka ary tena mivavaka marina, nefa matahotra mafy ny fahafatesana. Satria tsy nisy nahita maso izay aorian’ny fahafatesana, dia toa samy miezaka mafy ny hanemotra azy. Rafahafatesana anefa tsy ho azo iafenana mandrakizay fa tsy maintsy ho tonga, tsy hihoatra ny 108 taona akory.

Ao anaty faniriako ny hanoratra tantara anankiray izay. Tantara foronina. Tantaran’olona mpivavaka anankiray, mararin’ny voa, ary nisafidy ny tsy handany vola amin’ny fitsaboana, tsy hiezaka hitady toby na toeram-pivavahana hiandrandrana fahagagana ihany koa, fa dia mivonona hiatrika ny fahafatesany ao anaty fangirifirian’ny nofo. Toy izay ny “synopsis”, ao anaty lohako ao ny votoatiny fa antony maro ny tsy anombohako manoratra izany tantara izany : tsy manan-talenta aho, tsy mazoto be aho, tsy dia mahatozo zavatra hatramin’ny farany aho matetika fa maimaika am-boalohany fotsiny. Rehefa resiko ireo sakana ireo dia mba hianatra hanoratra tantara aho…