Friday, November 6, 2020

Love, Death, Robots. Ep 5: The Voice (… of a cockroach)

Izaho dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana sy talenta manokana amin’ny fahaizana mihira. Nomeny aho, fa tsy nandray. Tena misy tokoa ilay hoe “Andriamanitra nanome fa i Bailta no tsy ambinina”. Niavonavom-po loatra aho tamin’ny fotoana nanomezany an’io talenta io.

Vokany : hatrizay niainako dia tsy mba nanana sofina “mozikaly” aho. Raha misy mihira ka hoe mamalan-kira, izaho angaha aminareo mba mahalala hoe mivalana izy izany? Rehefa misy ireny fifaninanan-kira amin’ny fahitalavitra ireny, Pazzapa e, The Voice e, ohatry ny mitovy jiaby amiko ilay fihiran’ny mpifaninana. Tsy mety takatry ny saiko hoe ahoana ary no fomba hitsarana ny fahaizan’izy ireo mihira, ahoana no ahalalàna hoe itsy mahay mihira kokoa noho iry. Tsy dia mba ambiazako noho izany ireny karazam-pandaharana ireny fa dia tena omby mijery florat tokoa aho.

Mazava ho azy fa rehefa izaho ihany koa no mba mihira dia tena tsy fantatro mihitsy na mamalana aho na tsia. Mino aho aloha fa dia mamalan-kira lalandava e, ny manodidina fotsiny no tsy te hanebaka. Izaho anefa mba tia mihira mafy sy mitsatotsatoka izay, indrindra rehefa hiderana an’Andriamanitra. Dia tsy raharahiako koa na hivalana be any aza, ianareo mpiara-mivavaka mahay mihira no tsy te hanao mafy eo mba hamono ny feoko koa. Indrindra moa fa rehefa ataon-dry zareo mivareraka be izay ilay hira, izaho maika hahavita ka dia taritiko amin’ny ngadona malakilaky ny hira. Fa ilay taranja mihira koa ange ka dia nohasarotina farak’izay zokiny e! Asiana feo voalohany e, faharoa e, fahatelo e, beso e! Amin’io ny feo voalohany ihany no ampianarin’izay mpampianatra hira fa ny ankoatr’izay dia samy mahita ny tokony hanaovana azy, ilay raikipohy anefa tsy mba ampianarina. Tss, tsy akako lagy koa e, ny feoko ezahiko atao midobodoboka fa ny melodia ilay nampianarina ny feo voalohany ihany no itondrako azy.

Ny eo amin’ny zavamaneno tendrena sy velesina na tsofina dia ny kiririoka ihany angamba no mba ahitako rirany kely, na dia ilay mitsoka saxe amin’ny Titanic aza tsy haiko e. Teny sinoa be amiko izany hoe mineur e, majeur e, accord e, … Dia gaga aho hoe kisarisarina tain-dalitra ireny moa dia ahavitan’ny sasany melodia koa. Fa ny antony ilàna zavamaneno any am-piangonana rehefa hihira koa aza anie tsy dia mbola azoko tsara e, ankoatry ny hoe hamonoana ny feonay mpamalan-kira, sy hitandroana ny ngadona tokony harahina. Gaga sy sina mihitsy aho rehefa misy an’ireny mpihira miseho milay ireny mibaiko mpitendry hoe “Ampidino demi-ton anankiray hoe fa avo loatra”, sahala amin’ny hoe ilay zavamaneno no arahiny hamoahany ny hira hataony. Nefa avy eo rehefa avy nampidinina ilay “tonalité”, izaho amin’io tsy mahatsapa izay fahasamihafany tamin’ny teo aloha mihitsy.

Raha ny eo amin’ny dihy indray dia toy ny kakanjila notapahin-doha aho. Iny indray mba fantatro tsara mihitsy fa zero manatody aho. Tamin’ny mariazin’i Tahiry aza moa dia tena notsorin’ny valilahiko tamiko amin’ny fo madio mihitsy hoe mipetraha leisy moa fa mahamenatra olona a!

Ny mahagaga anefa dia ohatry ny tia mihira sy tia mozika ary tia dihy ihany aho. Raha mba noraisiko ireo talenta nomen’Andriamanitra ahy ireo, tahaka izay aho nanao vidéo sady mitendry synthèt no mihira no mandihy, amin’ny hiram-pitiavana be hatolotro an’ilay vadiko noho ny tsingerintaonan’ny mariazinay tamin’ny faran’ny oktobra teo. Izao, voatery hindrana ny matianina ihany hampitana hafatra. Ao anaty tononkira ny hafatra e!

“Fa izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako, … hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika”. Rota 1. 16,17