Thursday, January 6, 2011

Raha toa moa … katsaka, tsaramaso, voanjobory.

Tapa-kevitra hiblaogy indray hono izy. Tsara.

Resaka kivalavala hono no tena ho maro ao amin’ny blaoginy. Mainka tsara.

Tsy manam-potoana firy hono izy ka dia tsy hosokafany ny fametrahana fanamarihana. Kay leannna. Tohina be mihitsy aho. :(

Dia ho tezitra anefa dia hanao inona? Hametraka fanamarihana ao amin’ny blaoginy tsy ho afaka. Hitaraina eto amin’ny blaogiko, fotoana hamakiany ny azy aza tsy ananany koa ahoana no fomba hahitany izay fatina what-if anao zany? Tsy olana e, impiry mba hitabataba anefa, aleo avoaka eto ihany ny fahadisoam-panantenana sao mba misy mpi-blaogy amin’ny bozaka (blogger en herbe) mamaky dia mba mahita dieny mialoha hoe tena tsy rariny mihitsy izany hoe blaogy tsy azo ametrahana fanamarihana izany.

Ny anay eto izao rehefa kelikely hanakaramana olona ny mametraka fanamarihana eto fa tena sady vitsy mpitsidika no tsy popular sahala amin’ny an-dry Jentl. Sao ho fotsy rora mitatatata eto nefa tsy misy mpamaky. (Hitako sahady izao ilay mpamaky efa mitady ny hametraka comm’s kely mba hampiononana ahy, dia mamaky an’ity vao mitsiky kely sy mihemotra indray).

Iantsaliana koa rangah tsssss.

Io anie na tsy manam-potoana hamakiana ny fanamarihan’ny olona aza ianao, afaka tsy sakananao ny fametrahan’ny mpankafy izany e, dia izy samy mpankafy no mifandefa comms eo. Efa mba nohatsarain’i sefo ihany ny captcha ka tsy hanana anjara toerana be loatra angamba irony fakon-kafatry ry Lorray irony.

Illustration: banane en forme de ...

Katsaka tsaramaso voanjobory
Hanina harivariva mampatory
Karapapaka, ron’angivy, besisika
Hanina harivariva mamparisika
Karaoty, voatabia, mangahazo
Hanina harivariva mampalazo
Moknazy, mosakiky, mofo akondro
Hanina harivariva mahabe fanondro.

Iantsaliana koa rangah tsssss.

  1. iantsaliana

    Monday, January 10, 2011 - 03:53:12

    Oay diso hevitra ianao raha nihevitra fa tsy hahita ny what-if ny tenako. Ny marina ange dia efa mpanaraka anao mihitsy aza ny tenako fahiny fony mbola nikafiry fotoana nitety ny blaogy malagasy e. Ary tsy fatina what-if izany mihitsy lazaiko anao an :-)

    Azoko tsara ny fahatohinanao ary mbola ialako tsiny im-polo in-jato kely e. Ny nieritreretako azy dia aleoko akatona ny fametrahana fahamarinana toy izay ataon’ny olona hoe tsy mahalala fomba raha tsy mamaly akory izay lazainy eo. Samy manana ny fomba fijeriny tokoa ny tsirairay. Namboraka ny hevitrao ianao ka dia isaorako be dia be izany. Sarotra ny miaina e? Ny zvatra tsapako dia manasarotra ny fiainany ny olona rehefa manaraka izay tian’ny hafa ataony toy izay manaraka izay feeling-ny tenany. Ka raha tsy mahadiso re aleo aloha ny tenako hanaraka ilay feeling ato anatiko e. Ao aoriana kely angamba mety hiova ihany izany. Raha tena tsy rariny loatra aminao dia tsy maninona aza vakina ary ilay blaogiko e. Ahoana mety ve? Tsy maninona na dia malahelo aza ny tenako e. Sans rancune, marina e. Oay dia misaotra aloha amilay akondro e, sa fanondro moa? ;-)

  2. DotMG

    Monday, January 10, 2011 - 12:03:34

    Misaotra anao ary ry iantsaliana nahita ny fitarainako sy namaly izany. Saingy indrisy fa dia marina avokoa ny voalazanao, aleo tokoa manaraka ny feeling an’ny tenany toy izay hanaraka ny influence-n’ny hafa. Marina ihany koa fa sahala amin’ny tsy firaharahana sy tsy fahalalam-pomba raha avelanao hametraka fanamarihana eo ny olona nefa tsy hovakianao sady tsy hovalianao raha mila valiny. Mainka tsapako hoe important izany aho hoe mandrera-tena mametraka fanamarihana sy mamaly eto mihitsy ianao.

    Fehiny izany dia rehefa te-hanabe aizana dia mihinana katsaka tsaramaso voanjobory karaoty voatabia mangahazo, fa rehefa mba te hifanome fitia kosa dia miletra karapapaka ron’angivy besisika moknazy mosakiky mofo akondro.

    Amenaaaaaaaaaaaaaa!

  3. iantsaliana

    Sunday, January 16, 2011 - 18:53:18

    Ie, samy mety daholo angamba na ny fanabeazana aizana na ny fifanomezana fitia. Revy samy manana ny azy fotsiny ka samy mihinana izay tiany. Zany moa ry Dot o?

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment