Monday, November 2, 2020

Love, Death, Robots. Ep 2: Voky andro

Nodimandry teo amin’ny faha 91 taonany ny raibeko tamin’ity taona 2020 ity.

Volana Jolay izy no nodimandry.

Ho ahy manokana, dia efa ny volana Janoary izy no nantsoin’ny Ray, fa io Jolay io vao tena nody any Aminy. Volana janoary izy no efa “nafoy”, efa nivonto ny tenany iray manontolo, efa andrasana sisa… Nahazo fanalavam-potoana enim-bolana izy. Enim-bolana nahafahany nankalaza indray ny tsingerin-taona nahaterahana satria anelanelan’ireo volana janoary sy jolay ireo no andro nahaterahan’izy mivady, andro mitovy. Enim-bolana nahafahany nahita ny zanaka aman-jafy indray tao anatin’ny atao hoe “Fetin’ny ray” sy ny “Fetin’ny reny”. Fanalavam-potoana nahitany fa tamin’ireo zanany sy zafiny dia nisy tokoa ny tena olona manana ny mahaizy azy eo amin’ny fiaraha-monina. Raha ny firodorodon’ny olona mpiray finoana amin’ilay zanany lahiaivo tonga namangy teny amin’ny hôpitaly, dia mahafaly azy fa tena tsongoin’olom-bolo tokoa io zanany io. Koa na dia notazontazomina tamin’ny fanafody aza ny ainy, dia tsy ataoko ho fitiavan-tena velively ny nitsaboana azy fa inoako ho fotoana mamy teo amin’ny fiainany ireny tombon’andro ireny.

Ny ankamaroan’ny androny nandritra izay enim-bolana izany ihany koa dia manonofy. Toa miverina amin’ny nofy eo imasony ny androm-piainany sy ny fahatanorany. Toa tena any anaty tontolo hafa izy sy ny torimasony ary ny nofiny, angamba efa any an-danitra ny ambiroany. Rehefa mifoha izy dia manontany zavatra izay tsy misy eo hatrany. “Rosoy amin’izay ilay sakafo ao fa efa vonona”, hoy izy nefa tsy misy fikarakarana sakafo mihitsy ifampiresahana aminy. Matetika ny tanany manjaitra, na manao mofo, fa izany no asany taloha. Indraindray izy miresaka amina vazaha.

Nambarany tamiko fony fahavelony hoe mba hetaheta napetrany tamin’Andriamanitra ny mba hahatratra izany zafindohalika izany mialoha ny hahafatesany. Izy narary io dia efa nitoe-jaza ny anankiray amin’ny zafikeliny, ary volana septambra 2020 no DPA tamin’izay.

Volana jolay i Dadabe no nodimandry. Andro alakamisy maraina. Tao anatin’ny confinement tamin’izany. Asa na ny DPA no diso, na harerahana vokatry ny fandevenana, fa teraka roa andro taorian’ny nahafatesan’i Dadabe ilay zafindohalika niriny mba ho hita, ary salama soamantsara. Ho ahy, na tsy tanteraka ara-bakiteny aza ny hetahetan’i Dadabe, dia nieritreritra ihany aho hoe notanterahin’Andriamanitra tamin’ny fombany io hetaheta io. Mety ho nihaona teny amin’ny tontolo anelanelan’ny ho tonga eto an-tany sy ny handao ny tany ny fanahiny sy ny an’io zafindohaliny io. Hoy aho naminany tamin’ilay zafikeliny niteraka : “Misy fanahin’i Dadabe nifindra ho ao anatin’io zanakareo io, ka tandremo tsy hosakananareo amin’izay asa tiany eo amin’ny sehatry ny fivavahana io, na hanao pasitera aza”. Tena tia fivavahana tokoa mantsy izay raibenay izay ary nandany ny androny tamin’ny seha-panompoana an’Andriamanitra.

Fa rehefa nandre ny fahaterahan’io zafindohaliny io aho dia nahatsiaro ihany koa an’ilay reniko. Fony fahavelony dia fiteniny ihany koa ny hoe “Nôfa be ilay antitra fa ny ahy ny tiako mba 50 na 55 taona dia maty”. Tanteraka taminy koa izany “redirediny” izany fa teo amin’ireo fe-taona niainana ireo izy no lasa tampoka, rehefa tratry ny AVC.
Dia tsaroako ihany koa ilay dadatoako anankiray, rehefa narary ingahirainy ary vaninandro akaiky krismasy sy faran’ny taona iny no “mirediredy” amin’ny namany hoe “Izaho ange tsy hahatratra ny taona vaovao io intsony e”. Izahay fianakaviana avy eo no gaga fa dia tanteraka tokoa izany teniny izany.

Mampieritreritra ahy izany rehetra izany. Inoako fa maro amin’ny olona efa akaiky ho faty no mahalala ny ho fahafatesany, ary maro angamba amintsika no efa nahare olona maty tampoka no niresaka momba ny fandaozany andro vitsivitsy talohan’ny nahalasanany. Fa hevitra iray novisavisaiko ihany koa ny hoe mety manana ny safidiny ny amin’ny halavan’ny androm-piainany ve ny karazan’olona sasany? Asa aloha fa izaho toa mba maniry ny ho ela velona sy voky andro ihany koa vao hantsoina, mba ohatra hoe 108 taona any no lasa.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment